vovonana firaisankina : mbola mitsipaka ny fifidianana teo aloha

Nihaona, nandritra ny ora roa, teny Andranomena, afakomaly, ny masoivohon’i Eta­zonia, i Claire Annette Pieran­gelo, sy ireo mpitarika ny Fi­rai­sankina. Nitatitra ny dinika ny mpitondra tenin’ny vovonana, i Paraina Auguste. Nambarany fa henjankenjana ny fihaonana ary samy tsy nitsitsy fitene­nana. Nomarihiny anefa fa ny ambasadaoro no niantso azy ireo tamin’izany. “Anisan’ny nanakiananay azy sy ny se­hatra iraisam-pirenena ny nankatoavan’izy ireo ny fifidianana filoham-pirenena farany teo”, hoy ny avy amin’ny Firai­sankina. Nohitsin’izy ireo fa nibaribary ny tsy fanajana ny demokrasia sy ny zon’olombelona ary koa ny tsy fipetrahan’ ny fahalalahana miteny. Noha­zavain’ireo mpitarika ny Firai­sankina koa fa mandray anjara tanteraka amin’ny fifidianana depiote izy ireo noho ny maha Malagasy ireo kandidà rehetra. Fifidianana manakaiky vahoaka rahateo izany. “Mbola tsipahinay marindrano kosa anefa ny fifidianana farany teo”, hoy ihany izy. Nanteriny fa tsy midika ho fitsabahan’i Etazonia amin’ny raharaha anatin’i Madagasikara ny tokony ho nandraisana fepetra tamin’ireny fotoana ireny fa eo koa ny soatoavina maneran-tany momba ny demokrasia. Tsy voahaja izany, araka ny nambarany.
Na izany aza, notaterin’i Paraina Auguste fa manana ny fomba fiasany i Etazonia sy ny fianakaviambe iraisam-pirenena manoloana iny fifidianana iny. Nampanantena ny masoihovon’i Etazonia fa hampita ny fihaonana amin’ ireo ambasadaoro namany.

Synèse R.

Partager sur: