FANTINA sy FINTINA

Maromaro ireo mpanao gazety nahazo valisoa tamin’ny fifaninanana nokarakarain’ny Transpa­rency international-IM sy ny ONG Malina. Eo ny horonantsary nitrandrahana « Ny fanondranana hamorain’ny kolikoly: loza mitatao ho an’ny sokatra ». Novo­karin’i Nadia Raonimanalina sy i Germain Andria­na­litiana ary i José Sitrakiniaina izany.
“Manana adidy hiray hina hahatafavoaka ny firenena isika”, hoy ny mpitarika ny Firaisankina, Ravalomanana Marc, teny Ambohimanarina, ny sabotsy teo. Tahaka ny baolina natao teto ihany sy ny fandaminana izany, araka ny nolazainy. Nambarany fa ahafahana manova ny fitondrana sy ny firenena io fifidianana depiote io.
Nahavita nitety ireo kaominina miisa 16 mandrafitra ny distrikan’Avaradrano ny kandidà avy amin’ny Kolekitifa, Andrianainarivelo Hajo sy Ra­tavilahy Andry. Fotoana nihaonana tamin’ireo mpiara-mikatroka isam-pokontany sy ny mpanohana izany. Nambaran’izy ireo koa ny antony handraisana anjara amin’ny fifidianana sy ny asa miandry ireo depiote.
Notendren’ny papa Fransoa ho evekan’i Maintirano ny Mgr Rakotoasimbola Clément Herizo. Avy amin’ny fikambanana “Pères Missionnaires de Notre Dame de la Salette” izy ary efa vikera delege administratera apostolikan’ny diosezin’i Maintirano, nialoha ny fanendrena. Tsiahivina fa 50 taona ny tenany izao voatendry ho eveka izao.

Partager sur: