Mialoha ny fampielezan-kevitra : efa mahita fihoaram-pefy sahady ny KMF/Cnoe

Manaraka akaiky ny mialoha ny fampielezan-kevitra ny eo anivon’ny KMF/Cnoe amin’izao fotoana izao. Niantso fandraisana andraikitra izy ireo manoloana ny efa tsy fanarahan-dalàna hita tato ho ato.

«Momba ireo fihoaram-pefy, manana ny andraikiny amin’ny maha mpitondra ny raharaha eny amin’ny fitsarana azy ny Ceni. Ny HCC efa nilaza fa handray andraikitra amin’ny maha manampahefana azy. Miandrandra sy mampirisika an’ireo rafitra sy andrimpanjakana ireo mba handray andraikitra ny amin’izay fihoaram-pefy izay, na ao anatin’ny fotoana mialoha ny fampielezan-kevitra aza». Io ny nambaran’ny tomponandraikitry ny serasera eo anivon’ny KMF/ Cnoe Fanabeazana olom-pirenena, i Haja Nirina, ny amin’ny fahitan-dry zareo fihoaram-pefy amin’izao fiatrehana fifidianana depiote izao na mialoha ny fampielezan-kevitra aza. Hita tamin’ny tambajotra sosialy, ohatra, fa efa misy nahitana sahady soratra hoe “fidio”, nefa mbola ao anatin’ny fotoana mialoha ny fampielezan-kevitra. Tamin’ny toerana sasany rehefa nanaovana fanamarinana, ny mpifaninana no nanao azy. Misy koa ny toerana tsy tokony hanaovana an’izany nefa nisy an’izay.
Fanao politika ny fizarazarana zavatra

Lasa fanao politika ny fizarazarana zavatra. Tsy misy lalàna koa mifehy izany, ary hita hoe lasa tsindry ho an’ny mpifidy. Na tiana na tsy tiana, misy akony amin’ny voka-pifidianana. Misy antoko politika nilaza tsy hanome zavatra dia lazain’ny olona fa tsy ho voafidy izany satria tsy manome… Misy koa ny manome zavatra etsy sy eroa dia lazain’ny olom-pirenena hoe raisina izany fa tsy voatery hanova
ny safidy. Ny hevitry ny KMF/Cnoe: aoka tsy ny fizarana zavatra no hisintonana ny sain’ny mpifidy fa fandaharanasa hampandrosoana ny firenena amin’izay andraikitra tandrify ny solombavambahoaka.

R. Nd.

Partager sur: