Sendika nasionalin’ny fitsinjaram-pahefana : vonona hanamafy traikefa ireo mpiasa

Nihaona tamin’ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), Andriantsitohaina Naina, tetsy Anosy, ny herinandro teo ny eo anivon’ny Sendika nasionalin’ny fitsinjaram-pahefana (Snadec). Notsiahivin’izy ireo tamin’izany fa niforona tamin’ny fomba ofisialy tamin’ny herintaona, ny sendika. Na­neho fahavononana ny hiara-kiasa amin’ny minisitra izy ireo ary hanamafy hatrany ny traikefany, amin’ny alalan’ny fiofanana samihafa. “Ahafa­hana mampandroso ny minisitera sy ny fanambin’ny fitsinjaram-pahefana izany”, hoy izy ireo. Eo koa ny fanamby amin’ireo kaominina, eo amin’ny sehatry ny asa ary indrindra ny fivoarana manokana ho an’ireo mpiasa.
Ankoatra izany, natao ny herinandro teo, tao amin’ny minisitera koa, ny fivoriana ho fanatsarana ny fitaovana «Indice de gouvernement lo­cal – IGL». Tanjon’ny fivoriana ny hanombana ny fahombiazan’ny kaominina amin’ny fitantanana ifotony, ary hampandray anjara ireo mpiara-miombon’antoka. Anisan’iza­ny ny fampandrosoana ny fi­tondrana tsara tantana sy ny famaritana ireo teboka mila fanitsiana.
Voatsiahy fa manasongadina ny fampiharana ny fitsinjaram-pahefana misondrotra sy ny fampandrosoana ifotony ny MFFT. Anisan’ny antony fototra hahombiazan’ny fitsinjaram-pahefana, hanohanana ny fampandrosoana ifotony ny fametrahana ny fitondrana tsara tantana.
Tsiahivina fa niatrika izany ireo rantsa-mangaika an’ny MFFT sy ireo solontenan’ny minisitera hafa. Ny mpamatsy vola ary ny ben’ny Tanàna an’Anosizato Andrefana sy i Tanjombato.

Synèse R.

Partager sur: