Fifidianana depiote : hanova paikady ireo kandidà amin’ny propagandy

Mety tsy hitovy amin’ny teo aloha. Samy manana ny fomba hitondrany ny fampielezan-keviny ireo kandidà solombavambahoaka. Efa samy maka bahana amin’ny hiatrehana izany ireo etamazaoro politika isan-tokony.

“Mavesatra loatra ilay anto-bola nirotsahana hofidina ka tsy mitovy amin’ny fanao ma­hazatra ny hiatrehana izany”, hoy ny kandidà iray. Nana­mafy izany ny kandidà tsy miankina, Ratsimbazafy Alain, eny Atsimondrano. Namba­rany fa hiova kely tsy tahaka ny niatrehany ny tamin’ny nirotsahany teo aloha ny propagandy amin’ity. “Tsy main­tsy hitety trano, araka izay vita mihitsy, mba hampihenana ny fandaniana. Fomba mahomby kokoa io satria manakaiky vahoaka”, hoy izy. Na izany aza, tsy maintsy eo hatrany ny famoriam-bahoaka amin’ireo toerana sasany, araka ny nambarany.
Ho an’ny kandidà hafa kosa, anisan’ny fomba fiady ny fitadiavana fanohanana amin’ireo mpiara-miombon’ antoka na koa ireo resy lahatra amin’ny foto-keviny ka manolotra vola na fitaovana. “Tena manampy izy ireo saingy voafetra ihany izany ka ezahina araka ny azo atao ny fandrindrana ny hoenti-manana”, hoy ny kandidà iray. Ny hevitra anefa no tena hovoizina sy entina eny an-kianja, araka ny nambarany.

Fizarana koveta sy PPN…

Efa mahazatra kosa ny an’ny kandidàn’ny eo anivon’ny fitondrana. Eo ny fizarana koveta na kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro (PPN). Efa anaty fandaharam-potoana ho an’ny sasany koa ny fiantsoana mpanakanto malaza, afahana mamory vahoaka.
Ankoatra izany, nahavita nitety ireo kaominina 16 mandrafitra ny distrikan’Avaradra­no ny kandidàn’ny Kolekitifa. Nanaovana tombana izany ary efa maka bahana sy na­metraka paikady amin’ny hiatrehana ny propagandy, ma­nomboka rahampitso izy ireo.

Synèse R.

Partager sur: