“Annuel Investment Meeting”: misarika ireo mpamatsy vola ny filoha Rajoelina Andry

Mitohy hatrany ny fanatsarana ny fifandraisana sy fitadiavana fiaraha-miasa vaovao, eo amin’ny firenena malagasy sy ny avy any ivelany. Maro ny fihaonana amina tomponandraiki-panjakana, ataon’ny filoham-pirenena Malagasy, amin’izao fihaonana iraisam-pirenena izao.

Nisokatra omaly, ao Abu Dhabi, ny “Annuel In­vestment Meeting” (AIM) andiany faha-13. Vahiny manokan’ny filohan’ny Emi­rats Arabes-Unis, Mohamed bin Zayed Al Nahyan, ny filoham-pirenena malagasy, Rajoelina Andry. Tsiahivina fa ny 9 mey 2024 izao no hifa­rana ity fivoriambe ity. Nan­ka­sitraka ny fifandraisana sy ny fiaraha-miasa eo amin’i Mada­gasikara sy Emirats Arabes-Unis ny filoham-pirenena Mala­gasy. Nohamafisiny ihany koa fa mikendry ny hanorina fifandraisana stratejika ary hisarihana mpiara-miombon’antoka sy mpampiasa vola izay mitovy vinavina amin’ny fitomboana ara-toekarena maharitra i Madagasikara. Ahitana tontolo iainana mety amin’ny fampiasam-bola amin’ny sehatra lehibe isan-karazany, araka izany, ny eto Madagasikara.
Nitafa tamin’ireo vahinin’ity AIM, andiany faha-13, ity ihany koa ny Filoham-pirenena mala­gasy. Tao anatin’izany no nanasany azy ireo hitrandraka ireo fanararaotra maro misy eo amin’ny sehatry ny fama­tsiana, afaka trandrahina eto Madagasikara, hanampy sy hanohana an’i Madagasikara amin’ny fampandrosoana ara-toekarena lovain-jafy. Nan­dritra izany no nanehoan’ny Filohan’ny Repoblika ny tan­jaky ny toekarena sy ny fandraharahana azon’ny mpampiasa vola manerana izao tontolo izao, indrindra ireo avy any Emirats Arabes-Unis, eto Madagasikara, indrindra eo amin’ny sehatry ny fizahantany, ny fambolena sy fiompina , ny fiompiana trondro.

Orinasa misehatra eo amin’ny volamena

Araka ny nambaran-dRa­joelina Andry, Hisy ny fiaraha-miasa eo amin’ny fitondram-panjakana malagasy sy ny Emirats Arabes-Unis, amin’ny fanokafana orinasa misehatra eo amin’ny fanadiovana sy fanodinana volamena, izay dingana lehibe amin’ny fampandrosoana ny indostrian’ny harena an-kibon’ny tany. Nasongadin’ny Filoham-pirenena ihany koa ny ezaka ataon’ny fanjakana malagasy eo amin’ny sehatry ny angovo, indrindra ny fampivoarana ny angovo azo havaozina.

Lin

Partager sur: