FANTINA sy FINTINA

“Hevitry ny maro sy ara-dalàna ary ara-drariny no tenenina eto amin’ity lapa ity”, hoy ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny Jly Ravalomanana Richard, tamin’ny fanombohana ny fotoam-pivoriana tetsy Anosikely, omaly. Nanteriny fa tsy hevitry ny tena manokana sy ny olona vitsivitsy mitovy hevitra amin’ny tena no aseho eny.

Tapaky ny fivoriamben’ireo depiote fa ny 31 mey vao hiverina eny Tsimbazaza hivory indray izy ireo. Miisa 12 ireo depiote nandany izany tamin’ny alalalan’ny tsangan-tanana. Samy hiatrika ny fampielezan-kevitra avokoa izany izao ireo depiote nirotsaka hofidina solombavambahoaka, manomboka anio.

Nosalorana samboady ny loholona vaovao, Rabetsaroana Sylvain, omaly, tetsy Anosikely. Voaten­drin’ny HCC ho amin’izany toerana izany ny tenany taorian’ny fanonganana ny loholona teo aloha, Razafima­hefa Herimanana, filohan’ity Andrimpanjakana ity teo aloha.

Marobe ireo vahoaka nitsena ny kandidà Razanamahasoa Chrisitine tao Ambondromisotra Ambatofinandrahana, ny herinandro teo. “Agnay enao, ary vonona izahay hanatitra anao eny Tsimbazaza, hakanao ny toerana sahaza anao”, hoy ireo nandaha-teny. Nilaza ny mbola vonona hitondra ny feon’ny vahoaka ny tenany namaly izany.

Partager sur: