Prefektiora – propagandy : voarara ny Kianjan’ny 13 mey

“Tsy azo anaovana propagandy ny etsy anoloan’ny Lapan’ny Tanàna Analakely na ny Kianjan’ny 13 mey ary koa ireo lalana manodidina rehetra eo”, hoy ny eo anivon’ny Pre­fektiora. Voarara koa ny fanaovana hetsika manakaiky ny sekoly sy ny hopitaly na CSB na koa toeram-pitsaboana. Tahaka izany koa ny eny anivon’ny tsenam-bahoaka.
Na izany aza anefa, nambarany fa misy ireo toerana malalaka andoavana sarany ary tsy maintsy hanaovana fangatahana mialoha. Anisan’ izany ny eny Antsonjombe sy ny etsy Mahamasina.
Etsy andaniny, miisa 73 ireo toerana na kianja madi­nika hanaovan’ireo kandidà hofidina ho solombavambahoaka fampielezan-kevitra. Ny 17 amin’izany eny amin’ny boriborintany fahadimy raha 16 kosa ireo toerana malalaka ho an’ny boriborintany voalohany sy fahenina. Miisa 15 kosa izany ho an’ny boriborintany faharoa ary enina ho an’ny etsy amin’ny boriborin­tany fahatelo.

Haresaka indray ny tanàna…
Afaka mampiasa ny eo anoloan’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina Mahamasina kosa ny kandidà ho an’ny boriborintany fahefatra. Tahaka izany koa ny kianja eo akaikin’ny fokontany Anga­rangarana Anosibe sy ny eny amin’ny Sicam, Anosizato Atsinanana.
Anisan’ny fepetra tsy main­tsy arahina ny fampahafantarana ny fandaharam-potoana. Tafiditra ao anatin’izany ny ora sy ny toerana hanaovana propagandy. Eo koa ny fam­pia­sana lalana hanaovana filaharambe na koa ny kianja.
Araka izany, haresaka in­dray izany ny eto an-dRenivo­hitra sy ny manodidina ary hatrany an-dohasaha sy ny tanàna rehetra any, manomboka anio.

Synèse R.

Partager sur: