TSELATRA

Olona dimy naratra vokatry ny fifandonan’ny fiara maromaro teny Bel’Air Talatamaty, omaly hariva. Mpiandry taxi-be ireo naratra. Vokatry ny fahatapahan’ny hisatra tamina fiara iray no voalaza fa nitarika ny fifandonana tamin’ireo fiara. Misokatra ny fanadihadiana ataon’ny zandary.

Teratany malagasy iray nosamborin’ny polisy ao amin’ny seranam-piaramanidin’i Maorisy, afakomaly. Hafahafa ny fihetsik’io lehilahy io ka nosavain’ny mpitandro filaminana ny entany. Nahatrarana rongony tao anaty fonosana teny aminy. Voatazona vonjimaika izy.

Vehivavy roa nokasain’ny teratany vahiny naondrana tany Croatie saingy tratran’ny polisy tao Afrika Atsimo ilay tompon’antoka, ny herinandro lasa teo. Alemana 56 taona io saika hitondra ireo Malagasy roa vavy hihazo an’i Eoroapa io. Niakatra fitsarana ao Afrika Atsimo ny raharaha.

Partager sur: