FANTINA sy FINTINA

Manameloka ny herisetra sy ny fanakorontanana nandoroana ny tranon’ny iray amin’ny komity mpanohana azy, any Faratsiho, ny kandidà Lalatiana Rakoton­dra­zafy. Niseho ny alahady teo izany raha efa andro vitsy mialoha ny fandrahonana hanaovana asan-jiolahimboto. “Efa nametraka fitoriana izahay ary manantena sazy henjana”, hoy izy.

Samy nanana ny paikady nanombohana ny fampielezan-kevitra ireo kandidà, afakomaly. Nentina am-bavaka tetsy amin’ny Magro Behoririka ny kandidàn’ ny Firaisankina, raha diabe nifarana tetsy Soarano kosa ny an’ny kandidà Irmar, Andriamananoro Augustin. Nanom­boka ny azy teny Ambohimangakely ny Kolektifa, tarihin’Andrianainarivelo Hajo.

Mbola nanao antso avo ho an’ny fanavotana miaraka ny tanindrazana ny eo anivon’ny Antenimie­ran’ny raiamandreny sy ny foko (ARFM), araka ny nambaran’izy ireo. Naneho fahavononana izy ireo amin’ny fitarihana ho amin’ny fidinana an-dalambe raha tsy misy ny fanovana eto amin’ny firenena.

Voatendry ho masoivoho vaovao avy amin’ny fanjakan’ i Royaume Uni eto amintsika i Patrick Martin Lynch. Handray izany toerana izany amin’ny volana aogositra ho avy izao ny tenany. Hisolo ny toeran’ny amba­sadaoro amperinasa, David Willima Ashley, izy izany manomboka amin’io fotoana io.

Partager sur: