Lay Far – “Maman Olga Rajoelina” : “Aoka tsy ho diso famindra isika mpanohana”

Nanao fanambarana ma­noloana ny raharam-pirenena ny eo anivon’ny Lay fitiavana an’ny rehetra (Lay Far), miaraka amin’i Maman Olga Ra­joelina, ny talata teo, tetsy 67 ha. Nambaran’izy ireo fa misy ireo milaza ho ampian-tafika, tsy ampian-tafika. Ny akanga maro anefa tsy vakin’amboa, araka ny fanambarana. “Aoka isika tsy ho diso famindra ara-politika fa tsy hitondra soa ho an’ny fitondrana niaraha-nametraka izany”, hoy ny filoha nasionaly, Rakotoniaina Mamitiana. Nanteriny fa sarotiny amin’izao fitondrana izao izy ireo ka adidy no atao ho fanomezan-kasina ny safidim-bahoaka nametraka ny filoha Rajoelina Andry eo amin’ny fitondrana.”Hamafisinay fa fikambanana avy amin’ny va­hoaka ary miaraka amin’ny vahoaka izahay. Tsy mivadi-belirano amin’ny fanohanana ny filoha sy vonona hifanome tanana amin’ny fitondram-panjakana”, hoy ihany izy.
Etsy andaniny, notsindriny fa adidy ny manao ny hampamarin-toerana ny fitondrana amin’ny alalan’ny fahazoana maro anisa eny amin’ny An­tenimiera. Nohitsiny fa tsy vitan’ny fizahozahoana eo amin’ny antoko politika na fikambanana samihafa izany, araka ny nambarany. “Ilaina ny fanamafisana orina ny fiaraha-miasa anaty fifanajana sy fifandeferana mba tsy hanome vahana ny mpifanandrina, miketrika maro anisa eny Tsimbazaza koa”, hoy ihany izy. Ho tonga amin’ny fanakorontanana sy fanonganana izany ary tsy hahavanona ny politika ankapoben’ny fanjakana, araka ny nambarany

Synèse R.

Partager sur: