Minisitra Andriantsitohaina Naina : “Laharam-pahamehana ny ady amin’ny “Mafia”

Nandray ny avy amin’ny Transparency International – Initiative Madagascar (TI-IM) ny minisitra Andriantsitohaina Naina, ny fiandohan’ny herinandro teo, tetsy Anosy. Voa­resaka ny ho fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta. Nambaran’ ny minisitra fa hohamafisina ny lalàna efa misy ary hohenjanina ny sazy ho an’ireo tsy manara-dalàna sy mpangalatra tany. “Tena laharam-pahamehana ho an’ny minisitera amin’izany ny ady amin’ny «mafia» an’ny tany sy ny fampiasana hosoka”, hoy izy. Nanteriny fa natao mba hampiharana ny filana ny rariny ny fanavaozana ny lalàna, hirosoan’ny minisitera amin’izao fotoana.
Etsy andaniny, hiarahan’ny roa tonta miasa ny famanta­rana ny mety ho fisian’ny kolikoly sy ireo fanadihadiana hatao amin’ny toerana na sehatra iray, ary ny fepetra raisina manoloana izany. Eo koa ny momba ny fametrahana politika iombonana, ahafahana mankany amin’ireo faritra sarotra andehanana sy hanamorana ny fahazoan’ny mponina mitoka-monina ny vaovao.
Ankoatra izany, hatsan­gana eo anivon’ny MMFT ny sampana misahana ny fitondrana tsara tantana sy ny ady amin’ny kolikoly. “Ho fanatsarana ny fandehan’ny asan’ny biraon’ny fitarainana teo aloha izany sady hamahana maha­ritra ny olana eny ifotony”, hoy ny minisitra. Dingana ahatongavana amin’izany ny famadihana ny fitantanana amin’ny alalan’ny haitao ara-kajy mirindra ho fanohanana ny fitondrana tsara tantana ary koa hanatsarana ny mangarahara.

Synèse R.

Partager sur: