Andrianainarivelo Hajo : “Aoka tsy hanao ririnin-dasa tsy tsaroana”

Nitondra ny heviny manoloana ny fanakatonana haino aman-jery tato ho ato ny filoha nasionalin’ny MMM, i Andrianainarivelo Hajo.

“Ampahatsiahiviko fa sao misy manao ririnin-dasa tsy tsaroana isika. Anisan’ny nahatonga ny hetsi-bahoaka ary na­harava ny fitondrana tamin’izany ny fanakatonana ny fa­hitalavitry ny mpitondra amin’izao fo­toana izao”, hoy izy. Nanteriny fa mba mitantana orinasan-tse­rasera ny tenany ary ma­hatsiaro maharary mahita ny tranga miseho amin’izao fo­toana izao amin’ny nanakatonana haino aman-jery sasany noho ny antony ara-politika.
Notsiahiviny fa efa niha­ran’ izany koa ny orinasany tamin’ny 2013. “Nandray anjara tamin’ny fifidianana izahay saingy mbola nisy ny mpitsara madio fo sy mijoro amin’ny fahamarinana tamin’izany ka tafaverina nisokatra soa aman-tsara ihany”, hoy izy. Nohitsiny raha mbola misy tahaka izany mpitsara izany koa amin’izao fotoana izao.
Etsy andaniny, nambarany fa misalovana andraikitra ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina (MSK) mandray ireny fanapahan-kevitra ireny. Anjara andraikitry ny “Autorité Nationale de Ré­gula­tion de la Communication Médiatisée – ANRCM” ny ma­nara-maso sy manana fahefana amin’ny haino aman-jery, araka ny nambarany. “Efa tokony najoro tamin’ny ny septambra 2021 izany araka ny voalazan’ny lalàna nefa tsy natsangana mihitsy hatramin’izao”, hoy ihany izy.

Synèse R.

Partager sur: