Fanakatonana Radio : tsy mbola naharay taratasy ofisialy ny OJM

Naneho hevitra fohy tamin’ny alalan’ny haino aman-jery ny filohan’ny Holafitry ny mpanao gazety (OJM), i Monica Ra­soloarison, manoloana ny fanakatonana Radio tato ho ato. Nambarany fa tsy mbola naharay taratasy ofisialy mom­ba izany izy ireo. Na izany aza, efa mandeha ny fanadihadiana. Nanteriny fa ny asa fanaovan-gazety sy ny mpanao gazety no iandraiketan’ny OJM. “Anjaran’ ny minisitera ny misahana ny raharaha tahaka izany noho ny tsy mbola fijoroan’ny “Autorité Nationale de Régulation de la Communication Médiatisée – ANRCM”… Mandray andraikitra hatrany kosa anefa ny OJM raha miseho ny antsojay na voatohintohina ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety sy ny mpanao gazety”, hoy izy. No­tsiahiviny fa ao anatin’ny va­nim-potoan’ny fifidianana sy ny fampielezan-kevitra isika izao ka tsy mendrika sy tsy azo eke­na raha tsy voalanjalanja ny fa­napahan-kevitra raisina. Toko­ny hifanaraka amin’ny lalàna hatrany izany ary tsy natao ha­nakanana ny fahalalahana mi­teny sy manohintohina ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety.
Tsiahivina fa nampiatoan’ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera ny Radio iray etsy Imerintsiatosika tamin’ity herinandro ity. Tsy nijanona amin’izao anefa ny tomponandraikitra mpitantana fa nampiakatra ny raharaha eny amin’ny fitsarana ary nangataka ny fampiatoana izany fanakatonana izany.

Synèse R.

Partager sur: