Mois : mai 2024

Famahana ny olan’ny fananan-tany : nizarana karatany ny any Vakinankaratra

Mitohy hatrany ny fizarana karatany faobe manerana ny Nosy, amin’ny alalan’ny fandaharanasan’ny fitondram-panjakana. Manatanteraka izany ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT). Nahazo izany ireo distrika miisa roa any Vaki­nankaratra, ny 15 mey teo. Miisa telo ireo kaominina nizarana karatany maherin’ny 34 500 ho an’ny distrikan’An­ta­nifotsy. […]

VAOVAO TAMBATRA

Miisa 20 895 ny mpizahatany tonga teto Madagasikara, ny volana avrily teo, izany hoe, nahitam-piakarana 12% raha oharina tamin’ny volana avrily, ny taon-dasa, izay 18 657 isa. Manomboka miarina ny sehatry ny fizahantany ary manakaiky ireo antontanisa voaangona ny taona 2019 ireo isan’ny mpizahatany tonga eto amintsika. Nolaniana nandritra ny […]

Fampandrosoana ny eny ambanivohitra : lesoka amin’ny fiakaram-bokatra ny haratsian’ny lalana

Sakana ho an’ny fiakaran’ny vokatra sy ny fandrosoana eny amin’ny tontolo ambanivohitra ny haratsian’ny lalana. Mampihena ny fidiram-bolan’ny tantsaha izany no mampahazo vahana ny fahantrana koa. Mampijaly ! Ratsy sy simba avokoa ny ankamaroan’ny lalana eto Madagasikara. Anisan’ny mampitontongana ny tontolon’ny famokarana eny amin’ny tontolo ambanivohitra izany. Vokany, mihena ny […]

INDRAY MIJERY

Nihena ny herijika hivoaran’ilay tangoron-drahona ao avaratra atsinanan’i Madagasikara. Na izany aza, arahi-maso akaiky ny mahakasika azy. Efa nihena ny heriny ary niha nalefaka. Ho maina ny andro eto afovoantany ary hiakatra manodidina ny 26°C ny maripana farany ambony, hoy ny nambaran’ny Foibe famantarana ny toetry ny andro. 80 000 […]

Fianarantsoa : olona 15 000 nisitraka tolotra fahasalamana

Nosantarina, omaly, ny hetsika ara-pahasalamana manatona vahoaka ho an’ny renivohitry ny faritra Matsiatra Ambony, manoloana ny Lapan’ny Tanàna Fiana­ran­tsoa. Nanotrona izany ny vadin’ny filohan’ny Repoblika sady mpiahy ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza, Rajoelina Mialy. Nisy ny fitsaboana manakaiky vahoaka mandritra ny tontolo andro ankoatra ny hetsika “Caravane de santé” […]