Mois : mai 2024

CEPE andrana : antonony ny vokatra ho an’ny EPP Analakely

Nanatanteraka CEPE andrana ny sekolim-panjakana anatin’ny Zone d’administration pédagogique (Zap), eo anivon’ny Cisco Antananarivo, tamin’ity herinandro ity. Fanadinana voalohany hiomanana amin’ny CEPE. “Ho an’ny EPP Analakely, 53,13% ny mpianatra nahazo ny salanisa 10/20”, hoy ny talen-tsekoly, Razafindranaivo Nadia. Eo ho eo ihany ny vokatra fa mbola misy ny fotoana hanarenana […]

Hahaleo tena ny oniversiten’i Vakinankaratra : notokanana ny efitrano 80 hipetrahan’ny mpianatra

Betsaka ny mipetraka amin’ny trano tsizarizary. Mandeha an-tongotra lavitra vao tonga any amin’ny oniversite ny mpianatra ao Antsirabe, ka izay no nahatonga ny fitondrana nametraka fotodrafitrasa goavana ho an’ny mpianatra, hoy ny filohan’ny Repoblika. Natolotry ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina An­dry, omaly, ny efitrano hipetrahan’ny mpianatra ao amin’ny Sekoly fampianarana ambony […]

TARATRY ny KANTO

La Teinturerie – Mafonja sy i Silo. Fampia­rahana talenta naharitra tokoa ny azy roa lahy. Be mpankafy ary manan-kozaraina hatrany ireto mpanakanto ireto. Manome fotoana « ao an-tokotaniny », etsy amin’ny La Teinturerie Ampasanimalo ry zalahy, anio, manomboka amin’ny 8 ora alina. Toa ny mahazatra, hikisaka eny amin’ny Le Garage Antsahavola izy […]

Dihy ankehitriny: hanatanteraka seho miavaka ny Cie Katrakala

Hotontosaina ny sabotsy 18 mey 2024, eny amin’ny Cercle Germano-Malagasy (CGM) Analakely, ny “Tasy”. Fampisehoana maroloko ifangaroan’ny dihy sy ny mozika ary ny saripika, hiarahana amin’ny Compagnie Katraka­la. Tanjon’ny hetsika ny hanaitra ny feon’ny fieritreretan’ny rehetra noho ny fanapotehana sy fanimbana ataon’ny kolikoly eto Madagasikara. Tsy toy ny mahazatra anefa […]

Literatiora sy asa soratra: ankalazaina amin’ity taona ity ny faha-100 taonan’i Felanavokon’Itasy

Vitsy mpahalala nefa manana karazana tononkalo tsara kalitao sy manana ny mampiavaka azy i Felanavokon’Itasy. Maro ny hetsika fankalazana izao faha-100 taonany izao, natao hahatsiarovana sy hampahafantarana azy. Anisan’ireo mpahay kanto tsaroana manokana amin’izao volana mey izao, na dia vitsy aza ny mahafantatra azy, i Felanavokon’Ita­sy. Nisy ny hetsika nanamarihin’ireo poeta […]