Anisan’ny hevi-bahiny naparitaka teto Madagasikara ny hoe : « tsy manaja vehivavy ny Malagasy », « manampatra fahefana amin’ny vehivavy ny lehilahy », « fanaka malemy ny vehivavy », sns. Petatoko nentina nampifandrafy ny lehilahy sy ny vehivavy ireo. Fomba fanaon’ny mpanjakazaka an-tanin’olona any amin’ny tany tiany hidirana sy hopotehina. Tsy ireo velively no endrika nisaloran’ny vehivavy […]
Mois : mai 2024
Analamanga Parc: hiray sehatra ny groupe Daniel sy i Mamina
Hiavaka kokoa amin’ny mahazatra ny eny Analamanga Parc, amin’ny alatsinain’ny Pantekôty ho avy izao. Ankoatra ny maha toeram-pitsangantsanganana sy toerana misy karazana fialamboly maro azy, hisy fampisehoana ihany koa nomanin’ny mpikarakara amin’ity. Hifandimby an-tsehatra amin’izany i Mamina sy ny groupe Daniel. I Mamina, izay anisan’ireo mpanakanto miaka-daza amin’izao fotoana. Manana […]
Fanabeazana: Tsy mifanaraka ny olana sy ny vahaolana
Iankinan-java-dehibe maro ny fanabeazana. Iray amin’ireny ny hoavin’ny firenena manontolo. Ny ho fizotry ny fiainan’ny tsirairay ary ny fiarahamonina amin’ny ankapobeny. Tsy tomombana ny fanabeazana, ratsy avokoa ireo. Tsara ny vokatra, mirindra izay ny fanabeazana… Mizara roa ny tontolon’ny fanabeazana. Ireo mpanabe sy ny beazina. Anisan’ny mpanabe ny ray aman-dreny, […]
SOMBIM-BAOVAO
Malagasy mpitsara baolina kitra efatra mianadahy, telo lahy sy vavy tokana, no manaraka fampiofanana any Le Caire, Egypte, ny 13 hatramin’ny 17 mey ho avy izao.Fiofanana karakarain’ny Kaonfederasiona misahana ny baolina kitra aty Afrika (CAF). Nisongadina tamin’ny andrana hafainganam-pandeha izy ireo, nandritra ny adina ara-batana. Ho fiatrehana ny fifaninanana afrikanina, […]
Semi-Marathon : hatao eto Antananarivo ny fifaninanana
Hotanterahina ny 26 mey ho avy izao, eto an-drenivohitra indray ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, amin’ny taranja hazakazaka lavitr’ezaka 21 km, Semi-marathon, andiany fahefatra. Hetsika karakarain’ny Federasiona malagasin’ny atletisma sy ny orinasa Telma. Araka ny fanazavana nomen’ny filohan’ny Federasiona malagasin’ity taranja ity, Raherison Dominique, omaly, teny Andraharo, dia homena […]




