Manamafy ny fanoloran-tenany ho tambajotra azo itokisana amin’ny alalan’ny teny filamatra vaovao ny Orange Madagascar. Nosafidiana manokana ny Orange eo anilanao ho marika fa eo akaikin’ny Malagasy tsirairay, tao anatin’ny fotoana rehetra, nandritra ny 20 taona, ity tambajotram-pifandraisana ity. Tsotra, mora raisina ary mifanaraka amin’ny andavanandron’ny mpanjifa ity tenim-pamantaran’ny Orange Madagascar ity. […]
Mois : mai 2024
VAOVAO TAMBATRA
Nampidirina am-ponja vonjimaika eny Antanimora ireo olona miisa telo voarohirohy tamin’ny fanondranana antsokosoko varika miisa 48 sy sokatra 1 076 tany Thaïlande. Harahin’ny fitsarana maso kosa ny efatra hafa raha toa ka mbola mitsabo tena eny amin’ny hopitaly ny iray tamin’ireo valo niakatra teny amin’ny Pôle anti-corruption (Pac). Mikorontana tanteraka ny […]
CT Motors: nivoaka ny fiara vaovao Kaiyi X7 Luxury
Namoaka fiara vaovao marika Kaiyi X7 ny CT Motors. Fiara matanjaka sy manaraka ny fivoaran’ny teknolojia niomerika amin’izao fotoana izy io. Raitra tanteraka ny fiara amin’ny endrika ananany sy ny pitsopitsony rehetra mandrafitra azy. Tsy manam-paharoa sy mampilamin-tsaina ny ao anatin’ny Kaiyi X7 amin’ireo seza tsara voatra. Mahazaka olona dimy […]
Fandraharahana : hampivondrona mpandraharaha maro ny CEO Business Forum
Hampirisihina ny fiaraha-miasan’ireo Malagasy sy vahiny mpandraharaha amin’ny fitrandrahana ireo harena samihafa aty amin’ny ranomasimbe Indianina ho an’ny fampandrosoana ny toekarena. Manana harena maro samihafa azo trandrahina tsara ny ranomasimbe Indianina ho fampandrosoana ny toekarena. Ho an’i Madagasikara, manana paikady manokana amin’ny fampiroboroana ny toekarena manga isika. «Laharam-pahamehana ny fametrahana […]
INDRAY MIJERY
Miara-miasa akaiky amin’ny fitaleavam-paritry ny Jono sy ny toekarena manga Atsinanana ny orinasa Ambatovy hanatsarana ny fari-piainan’ireo mpanjono ao Toamasina, amin’ny alalan’ny tetikasa “Blue economy”. Miroso ny tetikasa ary efa nahitam-bokatra satria mpanjono 400 mahery nahazo karatra maha matihanina, vondrona mpanjono dimy nomena taratasy vonjimaika milaza ny maha ara-dalàna azy […]




