Tao anatin’ny taom-pianarana dimy no nampiharan’ny sekoly mandray ny ankizy marenina eny 67ha tsikelikely ny fanabeazana mampiaty. Raisin’ny tomponandraikitra hianatra miaraka amin’ireo mpianatra marenina ireo ankizy mahare, raha ny mifanohitra amin’izay no niseho taloha. « Ankehitriny, sekoly mampiaty ny Akanin’ny marenina, rehefa nahatsapa ny vokatsoa nentiny ho an’ny mpianatra roa tonta », […]
Mois : mai 2024
Hafatry ny eveka: mitsipaka ny famosirana
Anisan’ny nisongadina tamin’ny hafatry ny Fivondronamben’ny eveka (Fem) ny tsy fanekena ny famosirana ireo mpanolana. Nentin’izy ireo ny hevitry ny fiangonana manoloana io lalàna io. Ekena fa heloka bevava ny fanolanana ka helohin’ny fiangonana izany, araka ny hafatra. Miombom-po sy mankahery ireo niharan’ny fanolanana izy ireo ary mitaky ny hiahiana […]
Hamongorana ny lefakozatra : hitety sekoly ny mpanao vaksiny
Nomarihin’ny solontenan’ny OMS, izay nisolo tena ny Imep sy ireo mpiray ombon’antoka eto Madagasikara, fa tato anatin’ny fito volana, tsy nisy ny trangana lefakozatra manerana ny Nosy. Miroso ny ezaka hamongorana ity aretina ity. Tanterahina manerana an’i Madagasikara, nanomboka omaly hatramin’ny zoma ho avy izao, ny hetsika vaksiny faobe fanefitry […]
SOMBIM-BAOVAO
Hanainga anio, hihazo ny Debrecen, ny Ankoay lahy, hiatrika ny fifaninanana hiadiana ny tapakila handraisana anjara amin’ny «lalao Olympika Paris 2024», taranja basikety 3×3. Ao amin’ny vondrona A no misy an’i Madagasikara, hifandimby hihaona amin’izy ireo ao i Allemagne, Suisse ary Lithuanie. Nihintsana teo amin’ny lalao ampahavalon-dalana avokoa ireo solontenan’i […]
Ecole de Rugby Manjakamiadana : nanome fitaovana ireo kilonga i Jeanne Sorrin
Fihetsika tsotra nefa feno fitiavana sy fanetren-tena no nataon’i Jeanne Sorrin, ilay Malagasy mpilalao rugby, mipetraka any Frantsa avy nanatevina ny Makis Ladies niatrika ny “Can 2024”, farany teo. Nialoha ny nandaozany an’i Madagasikara, tonga nitsidika ny Ecole de rugby Manjakamiadana ny tenany, omaly talata. Nitondra izay voarambin’ny tanany izy, […]




