Mois : mai 2024

Fampianarana : ankizy maro no misitraka vatsim-pianarana avy amin’Ambatovy

Vokatry ny fanohanana manokana ataon’ny orinasa Ambatovy amin’ireo ankizy amina kaominina maromaro manodidina azy, mianatra sy mahavita ny ambaratonga faharoa ny ankamaroan’ny mpianatra. Nampahatsiahy ny tohana ara-panabeazana ireo ankizy mianatra manodidina ny orinasa hiasany ny ao Ambatovy. Ani­san’ izany ny vatsim-pianarana ho an’ireo mpianatra mendrika izay natao hitsinjovana sy hampirisihana […]

Filoha Rajoelina Andry : “Zava-dehibe ny fifidianana solombavambahoaka”

“Ny zavatra azo ambara: isaky ny fotoam-pifidianana dia adidin’ny olom-pirenena tsirairay ny mandray anjara, misafidy izay olona safidiny, indrindra fifidianana solombavambahoaka no resahina”, hoy ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, taorian’ny nanatanterahany ny fandatsaham-bato teny amin’ny Lycée agricole Ambatobe, omaly. Solombavambahoaka izay mi­tondra ny tenin’ny vahoaka, mijery izay mangirifiry ny vahoaka […]

Praiminisitra Ntsay Christian : “Avelao hanao ny asany ny Ceni sy ny HCC”

“Ny fisian’ny fitarainana tsy midika hoe tsy manara-dalàna ny zava-misy. Avelao hanao ny asany ny Ceni sy ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC). Zon’ny mpifaninana amin’ny fifidianana sy ny olom-pirenena ny manao fitarainana araka ny tokony ho izy”, hoy ny Praiminisitra sady lehiben’ny governemanta, i Ntsay Chris­tian, taorian’ny fandatsaham-batony […]

Fizotran’ny fifidianana: nisy ny tsy fahatomombanana tetsy sy teroa

Tamin’ny ankapobeny, nizotra sy nilamina saika nanerana an’i Madagasikara ny fanatanterahana fifidianana solombavambahoaka omaly. Na izany aza, nisy ihany ny tsy fahatomombanana tamina birao fandatsaham-bato sasany. Santionany ihany… Ani­san’izany, ohatra, ny teny Andranoro Ambohi­bao, kaominina Antehiroka, nisy ny bokim-pifidianana izay nosoniavin’ny olona tonga nifidy maraina. Nefa rehefa tamin’ny 10 ora […]

TI-IM : “Mbola misy fitanilana”

“Na vitsy aza ny toerana sy ny antoko politika ary ny kandidà narahi-maso, mbola mitovy amin’ny teo aloha ihany ireo singa manamarika ny fampielezan-kevitra. Misy ny fizarana vola etsy sy eroa, ny tsy fanarahan-dalàna samihafa, ny tsy fanajana ny zon’olombelona… ” Io ny fanazavan’ny tale mpanatanteraky ny Transparency International-Iniative Madagascar […]