Mois : mai 2024

Minisitra Randriamanantenasoa Landy : “Tokony hahay handray olona isika mpitsara”

“Tokony hahay handray olona sy hanome fahafaham-po azy ireo isika… Ilaina koa ny lenta sy ny kalitaon’ny asa sy ny didim-pitsarana”, hoy izy. Niantefan’izany avokoa na ny mpitsara sy ny mpandraharaha na koa ny “bénevole” sy ny mpandraharahan’ny fonja. Nentaniny hatrany ny rehetra hanafaingana ireo raharaha tonga eny anivon’ny fitsarana. […]

Izay vandana dia kary!

  Maro dia maro ny olona niakatra teny amin’ny fampanoavan’ny Sampandraharaham-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly (Pac), omaly. Tsy mbola nisy tahaka izany angamba teny amin’ny Lapan’ny fitsarana 67 ha. Nirodorodo ny mpanatitra antontan-taratasin’ady mahamay, toy ny fadintseranana sy ny Jirama. Anisan’ny nandrasan’ny maro ny mahakasika ny trafikana harena voajanahary […]

Sekretera nasionaly, Rasoamaromaka Hery : “Misy kandidà misandoka ho natolotry ny Irmar…”

Hentitra ary nahitsy ny sekretera nasionalin’ny TGV, Rasoamaromaka Hery, omaly. Nambarany fa misy mitonona ho kandidà mpanohana ny fitondrana nefa tsy Irmar akory. “Tsy misy kandidà de­piote mahaleo tena izany ka manohana sy miara-miasa amin’ny fitondram-panjakana. Ireo nahazo ny tsodranon’ny foibe ihany no kandidàn’ny Irmar sy natolotra ary nankatoavin’ny filoha […]

TSELATRA

Olona iray maty vokatry ny lozam-pifamoivoizana teny By-Pass akaikin’ny Domaine, omaly hariva. Olona nanao taingin-droa tamin’ny moto ireto tra-doza tampoka ireto. Nifandona tamin’ny kamiaobe ka ilay olona nipetraka taorian’ilay mpitondra moto no voahitsaka. Mbola ao anatin’ny fanadihadiana ny polisy. Fasana telo nisy namaky tao Ambohipeno, kaominina Arivonimamo, afakomaly alina. Razana […]