Mois : mai 2024

Lalao Acnoa faritra fahafito: laharana voalohany i Madagasikara

Tsara ny vokatra ho an’ireo Malagasy atleta 24 mianadahy niatrika ny fifaninanana Acnoa, faritra fahafito, natao tany amin’ny Nosy Seychelles, nandritra ny herinandro teo. Nahomby ny Malagasy mpilalao! Medaly 44, izay nahitana volamena 22 sy volafotsy 20 ary alimo 2 no nahazoan’i Madagasikara laharana voalohany, nandritra ny fifaninanana Acnoa, faritra […]

Sombim-baovao

Hotanterahina ny 12 hatramin’ny 18 mey ho avy izao, any Kigali renivohitr’i Rwanda, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja tenisy ambony latabatra, “Ping Pong”, sokajy lahy sy vavy. Marihina fa natao hiadiana ny tapakila handehanana any amin’ny “lalao olympika 2024”, izay hatao any Paris, izany. Hotanterahina any Zanzibar Tanzanie, […]

Malagasy Rugby: nahazo fankatoavana tamin’ireo ligy ny mpitantana

Notanterahina ny sabotsy lasa teo, tetsy amin’ny ivontoeram-piofanana Andohata­penaka, ny fivoriambe ara-potoana ho an’ny taom-piasana 2023, Malagasy Rugby. Fotoana nanaovan’ireo komity mpanatanteraka ny tatitra ara-bola sy ara-teknika ary ny moraly tamin’ireo ligim-paritra eo ambany fitantanany. Na­hatratra 8 ireo ligy niatrika izany: Vakinankaratra, Itasy, Alaotra Mangoro, Menabe, Atsinanana, Boeny, Ihorombe, Amoron’i […]

Rugby – Can 2024: hanao “Mondial D3” any Dubaï ny Makis Ladies

Tsy nitsanga-menatra ny Makis Ladies, nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika rugby lalaovina olona 15 (Can 2024), sokajy vehivavy. Nahazo ny laharana faharoa, ary nandrombaka ny tapakila hiatrehana ny “Mondial” ho an’ny sokajy D3, hatao any Dubaï. Nifarana, omaly, teny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny fiadiana ny ho tompondakan’i […]

TARATRY ny KANTO

Nafenina tao anatin’ny fanajana ny fomba, miandry masoandro maty, omaly hariva, teny Am­bo­hi­ma­mory Ampitatafika, Andriantsimitoviaminandriande­hi­be Rajaofetra Guy, fantatry ny maro tamin’ny anarana hoe Xhi. Izy izay anisan’ireo mpandala ny kolontsaina malagasy sy mpahay kanto, mpanao hosodoko, sangany. Nisokatra ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny La Colline- Maison Sociale des Arts […]