Ahitana tangoron-drahona arahi-maso akaiky ao amin’ny faritra avaratra atsinanan’i Madagasikara. Heverina ny hitomboan’izany hery, amin’ity herinandro ity, raha ny fanazavan’ny mpamantatra ny toetry ny andro etsy Ampandrianomby. Tsy mbola hanambana an’i Madagasikara kosa anefa izany ao anatin’ny 3 andro ho avy, hoy hatrany ny Meteo. Na dia efa aty amin’ny […]
Mois : mai 2024
Hiatrehina ny loza voajanahary eto Antananarivo: mila havaozina ny paikady fa miha betsaka ny toerana marefo
Mamparefo ny tanàna mandritra ny loza voajanahary ireo fotodrafitrasa tsy voahevitra eto Antananarivo Renivohitra. Mila fanavaozana, araka izany, ny paikady fitantanana ny loza. Manoloana ny fitomboan’ny mponina mihoapampana an-tanàn-dehibe dia mila paikady ny fitantanana ny loza. Anisan’ izany ny eto Antananarivo Renivohitra, hoy ny BNGRC. Nanatanteraka atrikasa, araka izany, ny […]
Beach Soccer – “Festival Mazavaloha”: Ekipa 10 hiady izay ho lohany
Hanomboka anio, any amin’ny torapasiky ny faritra Sambava sy Antalaha ny andiany voalohany amin’ny “Festival Mazavaloha” ka hisian’ny fifaninanana Beach Soccer na ny baolina kitra lalaovina ambony fasika. Ligim-paritra folo no nandefa solontena amin’ity ary hiady izay ho lohany. Anisany i Melaky, Boeny, Atsinanana, Atsimo Andrefana, Vatovavy-Fitovinany, Analanjirofo, Diana, Sava […]
Olan’ny baolina kitra : mafana ny ady eo amin’ny Fosa Juniors sy ny AS Fanalamanga
Niakatra ny maripanan’ny raharaha Joma, Malagasy mpilalao! Namoaka ny heviny tao anaty tambajotran-tserasera ny Fosa Junio Boeny, omaly, taorian’ny fanambarana nataon’ireo tomponandraikitra eo anivon’ny AS Fanalamanga, ny zoma lasa teo, teny Nanisana. Nilaza ity klioba ity fa efa niakatra eny anivon’ny tribonaly misahana ny ady ara-panatanjahantena (Tas) sy ny Fifa […]
DAKA AN-JORONY: Faly miara-mitokiky, malahelo miara-mitakoko
Amoron-tevana indray amin’izao fotoana izao ilay taranja nampiray fo ny Malagasy sady nampiakatra avo dia avo ny lazan’i Madagasikara. Ny baolina kitra, ny tian-kambara amin’izany. Hivangongoan’ny olana tsy hita pesipesenina amin’izao fotoana izao, ny Federasiona malagasy (FMF). Ny eo tsy voavaha, ny eo misisika ihany. Toa manao fihavanan-takatra, faly miara-mitokiky, […]




