Mois : mai 2024

«Prix du 20 Desamb’ Réunion»: nizara ny traikefany amin’ny mozika Rajery

Efa nanomboka ny 2 mey teo no any La Réunion Rajery. Misy ireo hetsika ara-kolon­tsaina tafiditra anatin’ny faha­tsiarovana ny fanandevozana sy ny nanafoanana izany any amin’ity Nosy rahavavy ity, ka anisan’ireo nasaina manokana handray anjara amin’izany ny Rajery Trio. Niara-dalana tamin’izany koa ny fanombohana ny «Prix du 20 Desamb’ Réunion» […]

Fifaninanana Saripika: tafakatra famaranana i Pierrot Men

«Louis Roederer Foundation Photography World Prize for Sustainability 2024». Fifaninanana saripika iraisam-pirenena goavana indrindra izy ity. Anisan’ireo tafakatra amin’ny dingana famaranana amin’izany ilay mpaka sary malagasy, Pierrot Men. Sanganasany miisa 10 no nalefan’i Pierrot Men nifaninana tamin’ny volana oktobra 2023. Sary maneho ny tontolo ivelaran’ny Malagasy amina faritra maro, izay […]

« Slam Poèsie »: norombahin’i Noférima ny amboara maneran-tany

Nody aty Afrika indray ny amboara maneran-tany eo amin’ny Slam poèsie, raha teratany italianina no nandrombaka izany tamin’ny andiany faha-17. Niezaka ary anisan’ny nahatalanjona ny maro ihany koa ny fandraisan’anjaran’ny solontenan’ny Malagasy, nandritra ny hetsika. Nifarana ny faran’ny herinandro teo, tao Belle Ville Paris Frantsa, ny «Grand Poetry Slam 2024», fifaninanana […]

13 mey 1972: ho an’ny fampianarana no tanjon’ny tolona tamin’izany

Daty anisan’ny ma­nana ny tantarany eto Madagasikara ny 13 mey, izay tsarovana anio. Daty nisehoana tolona nahery vaika, nokasain’ireo mpitolona ho fanovana ny tantara. Ankehitriny anefa, vitsy ny mpi­anatra, indrindra ny tanora sy ny ankizy, no mahalala izany. Fototra nijoroan’ny tolona tamin’ny taona 1972 ny mahakasika ny lafiny fampianarana. Ny mpianatra […]

FANTINA sy FINTINA

Tsy mbola very fanantenana ny filoha Rajoelina ny amin’ny fitakiana ireo nosy malagasy eo an-tanan’i Frantsa, araka ny nambarany tamin’ny gazety Paris Match, ny herinandro teo. Nanteriny fa hiverina hitohy indray ny dinika eo amin’ny roa tonta ato ho ato ho amin’ny fifampiraharahana momba izany. Takin’ny Otrikafo ny hanoneran’i Frantsa […]