Mankalaza ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety isika anio, fahatelon’ny volana mey. Ny taona 1993 no nankatoavin’ny fivoriamben’ny Firenena mikambana izany. Ho fanamafisana ny tolokevitra avy amin’ny fihaonambe faha-26 ny Sampandraharahan’ny Firenena mikambana momba ny fanabeazana sy ny siansa, ary ny kolontsaina na ny Unesco, natao ny […]
Mois : mai 2024
MFM : «Potika ny hasin’ny antoko politika»
Tsy nitsitsy fitenenana momba ny fomba fanaovana politika sy ny antoko politika ny eo anivon’ny MFM. Tsy mandeha amin’ny laoniny izany, araka ny fanehoan-kevitr’izy ireo. “Raharahan’ny mpanam-bola ny fifidianana ataontsika eto, fa tsy raharahan’ny olona manana eritreritra hampandroso ny firenena sy ny antoko politika. Tsy misy lanjany intsony ankehitriny ny […]
TSELATRA
Taxi-be zotra E nifatratra tamin’ny andrin-jiro teny By-pass, omaly. Nandeha mafy io fiara io ka tsy voafehin’ny mpamily intsony. Naratra ny mpandeha sasantsasany tao anatin’ny fiara. Tsy nisy ny aina nafoy. Maty navadiky ny lakana ny lehilahy iray tao Mamamba, Ambohibao, afakomaly hariva. Nifampitadiavan’ny ekipan’ny Sampana mpamonjy voina izy. Niezaka […]
Lasa ny vola 250 000Ar : mpivady naratra mafy nodarohan’ny jiolahy
Naratra mafy ny mpivady tompona trano fivarotana iray nandritra ny fanafihan-jiolahy tao Ambohinaorina, fokontany Manakambahiny, kaominina ambanivohitr’Anosiala, distrikan’Ambohidratrimo, afakomaly tamin’ny 11 ora alina. Nosokirin’ireo jiolahy tamin’ny baraminina ny varavarana, tamin’io alina io, ka tafiditra tao an-trano ry zalahy. Tsy nisy resaka fa daroka avy hatrany no nahazo azy mivady tompon-trano […]
Toliara: Jiolahy maty voatifitra
Jiolahy raindahiny iray lavon’ny balan’ny polisin’ny UIR tao amin’ny fokontany Ankatsaky, Toliara, omaly maraina. Nanakana Cyclo-pousse ireo olon-dratsy. Ilay mpitandro filaminana nanao fanamiana sivily nefa nitaingina an’io fitaovam-pitaterana io. Nanambana azy sy nikasa handroba ireo jiolahy. Namoaka ny fitaovam-piadiana teny aminy avy hatrany ilay polisy. Raikitra ny fifampitifirana. Nitsoaka nandositra […]




