Rakotobe Kristina, vehivavy mpilalao basikety, no mety ho Malagasy voalohany hilalao amin’ny divizionina ambony, D1, any Amerika. Araka ny vaovao navoakany tao amin’ny pejiny, omaly, nahazo tolotra hifindra ao amin’ny UNC Greensboro Spartans ny tenany, amin’izao fotoana. Araka ny fikarohana natao, handray 19 taona amin’ity volana ity i Kristina, mirefy […]
Mois : mai 2024
Beach Soccer – “Festival Mazavaloha” : hahazo volabe izay mivoaka mpandresy
Afaka andro vitsy, hiatrika lalao Beach Soccer indray ny mpankafy baolina kitra malagasy. Natao hamerenana ny lazan’ity taranja ity eto an-toerana izany fifaninanana izany. Hisy ny fitiliana mpilalao handrafitra ny Barea. Hotanterahina any Antalaha sy Sambava, ny 13 hatramin’ny 19 mey ho avy izao, ny fifaninanana baolina kitra amin’ny torapasika, […]
Fanabeazana ara-politika : ambany ny tahan’ny vehivavy manao politika eto Madagasikara
Mbola ambany ny tahan’ny vehivavy mandray andraikitra amin’ny lafiny fitantanana ny rahahara politika eto Madagasikara, raha oharina amin’ ny lehilahy. Hita ho niakatra kely kosa izany tato anatin’ ny 10 taona lasa. Mbola mijanona ho ambany ihany izany, raha ny zava-misy ankehitriny. Manodidina ny 6 hatramin’ny 9% eo ny taham-pandraisan’anjaran’ny […]
FANTINA sy FINTINA
Mikarakara hetsika ny OJM hanamarihina ny Andro maneran-tany ho an’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety, anio. Anisan’izany ny etsy amin’ny tsangambato Analakely, ny adihevitra eny amin’ny Havoria Anosy ary koa ny fizarana valisoa tamin’ny fifaninanana “Grand prix Malina”. Eo koa ny fifaninanana ara-panatanjahantena sy korana, rahampitso. Mila fahasahiana sy fihavanana ny fanovana, […]
Raharaham-pirenena : hivory haka fanapahan-kevitra ny FFKM
Hivory ireo filoham-piangonana efatra mirahalahy eo anivon’ny FFKM amin’ity volana mey ity. Anisan’ny hodinihin’izy ireo ny momba ny fiainam-pirenena ankapobeny. Tsy mbola voafaritra ny daty hanatanterahana izany, raha ny nambaran’ny loharanom-baovao iray eo anivon’ny fiangonana. Tombanana anefa fa tsy ho aorian’ny Pantekoty izany satria hamoaka ny hafatra, tahaka ny mahazatra […]




