Mois : mai 2024

«Zaza mifety» : miditra amin’ny andiany faharoa ny hetsika

Mitohy hatrany ny fanolorana hetsika mahakasika ny kolontsaina sy ny fanabeazana, indrindra ho an’ny ankizy, ataon’ny IFM sy ny mpiara-miombon’antoka aminy. Izany indrindra no nanaovana izao “Zaza mifety” izao. Tanterahina eny amin’ny Institut français de Madagascar (IFM) Ana­lakely, manomboka ny 1 jona hatramin’ny 8 jona 2024, ny «Zaza mifety» andiany […]

Retogniane Durlin : “Manimba ny fifidianana ny tsindry amin’ny mpiasam-panjakana”

“Raha ny momba ny tsindry atao amin’ireo lehibem-pokontany: tsy vao izao no mitranga izany, rehefa ao anatin’ny fifidianana toy izao. Efa fanaon’ireo mpanao politika eo amin’ny fitondrana izay. Tsy ireo lehibem-pokontany ihany no iharan’izany, fa na ireo lehiben’ny boriborintany na lehiben’ny distrika na ireo prefen’ny polisy… Mandeha hatrany amin’ny mpiasam-panjakana […]

Semipi – Fianarantsoa : nahazo fampitaovana avy amin’ny firenena sinoa

Matotra ny fiaraha-miasa eo amin’ny Tafika malagasy sy ny firenena sinoa. Nitondra fampitaovana ho an’ny Sekoly miaramilam-pirenena (Semipi) ao Fianarantsoa ny ambasadaoron’i Sina miasa eto amintsika, Ji Ping. Nitondra fampitaovana ho an’ny Semipi ao Fianarantsoa ny firenena sinoa ka nanolotra izany tamim-pomba ofisialy ny ambasadaoron’i Sina miasa sy monina eto […]

INDRAY MIJERY

Noraisina teny amin’ny biraon’ny minisiteran’ ny Fanabeazam-pirenena ireo mpiandraikitra momba ny tomban’ezaka eo anivon’ny « Peace corps », i Carter Tanique sy Paul Romeo. Zava-dehibe ho an’ny minisitera ny fisian’ireo mpilatsaka an-tsitrapo avy amin’ny «Peace corps», izay manofana mpampianatra sy mpianatra momba ny teny anglisy any amin’ireo toerana iasany eto […]

Akora avy amin’ny simenitra : tanora 150 miofana any Antsirabe

Ho tohin’ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa sy ny vondrona Alpha Ciment, izay natao sonia ny volana avrily, notontosaina tao amin’ny CFP Antsirabe, ny herinandro lasa teo, ny fankatoavana ny lasi-panofanana novolavolaina niaraka tamin’io vondrona io. Notohizana tamin’ny fampiofanana ny mpampiofana miisa 14 amin’ny famokarana […]