Mois : mai 2024

Fifanakalozana ara-barotra : mitady ny tsena i Kanada sy Afrika Atsimo

Mahasarika ny teratany vahiny ny vokatra malagasy. Ankehitriny, tonga eto Madagasikara sy mihaona amin’ireo mpandraharaha eto an-toerana ny delegasiona Kanadianina sy Afrikana Tatsimo, tarihin’ny Trade facilitation office (TFO) Canada. Hanitatra ny tsena amin’ny fanondranana ny vokatra malagasy mankany ivelany izy ireo. Antoka ho an’ny fampiroboroboana ny sehatry ny fandraharahana ny […]

RN2: Kamiao 88 nitondra entana mihoatra

Miverina milanja daholo! Nanomboka misokatra sy miasa ny 21 mey teo, ny toeram- pandanjana fiara vaventy eny amin’ny lalam-pirenena faharoa (RN2). Eny Ambo­hi­ma­laza (PK 16) ny toerana ho an’ny kamiao miainga aty Antananarivo mankany Toa­ma­sina. Eny Antsarakofafa (PK 342+500) kosa ho an’ny avy any Toamasina mankaty Antananarivo. Voafetra ny vesatry […]

Tetikasa ProPFR: karatany 80 000 sy titra 10 000 hozaraina

Mifantoka amin’ny fahazoana tany ny tetikasa ProPFR ao amin’ny GIZ. Tena kendrena amin’izany ny vehivavy sy ny vondron’olona voahilika eo amin’ny fiarahamonina any amin’ny faritra Diana sy Boeny. Mitentina 15 600 000 euros ny famatsiam-bola avy amin’ny minisitera Alemà ho an’ny fiaraha-miasa (BMZ), ho an’ny Tetikasa fampiroboroboana ny politikan’ny fananan-tany […]

“Smooth night » andiany faha-17 : anjoria mozika mitety tany sy vanim-potoana

Anisan’ny hetsika hanehoan’ireo Malagasy mpanakanto ny fivelaran’ny talentany ny “Smooth Night”. Niavaka avokoa ireo andiany 16 nisy nandritra ny 10 taona, ary mbola mikaroka ny lafatra izy ireo amin’ity andiany faha-17 ity. Karazan-kira voafantina, sanganasan’ireo mpanakanto kalaza maneran-tany nivoy ilay antsoina ho “mozikan’ny mainty hoditra”. Ireny no notsongaina hatramin’izay, naverin’ireo […]