Mois : mai 2024

Sambo hopitaly Africa Mercy : olona maro hodidiana mandritra ny 2 taona

Nitsidika ilay sambo hopitaly Africa Mercy ny mpanolotsaina voalohany ao amin’ny masoivoho amerikanina, Stephanie Arnold, sy ny mpanolotsaina momba ny politika sy toekarena, Juliana Kim, nandritra ny fitsidihany ny tanànan’i Toamasina. Nanomboka ny volana febroary no efa niantsona tao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ity sambo vaventy ity ary efa niroso tamin’ny […]

Tahan’ny alikaola amin’ny mpamily : hentitra ny fanaraha-maso rehefa faran’ny herinandro

Manohy ny “Opération coup de poing” ireo tomponandraikitra, isaky ny faran’ny herinandro. Hentitra ny fanaraha-maso ny tahan’ny alikaola amin’ireo mpamily isorohana ny lozam-pifamoivoizana. Nanao tatitra ny hetsika fitiliana alikaola amin’ireo mpamily ny faran’ny herinandro teo ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro, izay iandraiketan’ny Agence des transports terrestres-ATT, mi­a­raka […]

Famokarana angovo: voavaha ny olan’ny herinaratra ao Ambatondrazaka

Mitohy hatrany ny fidinana ifotony ataon’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, ho famaliana ny filan’ny vahaoka eny ifotony. Omaly, tao Ampasimanolotra Brickaville indray izy no nanolotra fotodrafitrasa sy fampitaovana ho an’ny mponina, ho fanatsarana ny sosialim-bahoaka. Fanolorana milina fanamboarana «chips», fizarana jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro, fizarana zezika ho an’ny tantsaha ary […]

FIM andiany faha-18: nomena lanja ny sehatry ny toekarena

Fandraharahana. Nifarana ny alahady teo ny «Foire internationale de Madagascar» (FIM) andiany faha-18, izay natao nandritra ny hefarana, teny amin’ny Forello Expo Tanjombato. Niavaka tanteraka ity andiany ity, satria naverina sy nampiakarina teo amin’ ny lazany maneran-tany ny hetsika ara-toekarena, tamin’ ny alalan’ny fahatongavan’ireo firenena avy any ivelany toa an’i […]

Rajoelina Andry: «Hovokarina eto izay ilain’ny Malagasy»

Tontosa omaly, tao amin’ny tanànan’Ampasimanolotra Brickaville, ny fanolorana ny orinasa Bricka Chips. Ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, no nanolotra izany, nandritra ny fitsidiham-paritra nataony. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa “One District One Factory”(ODOF), izao fotodrafitrasa izao. Ny ODOF izay tetikasa napetraky ny fitondram-panjakana entina hampiroboroboana ny sehatry ny fihariana sy ny famokarana […]