Mois : mai 2024

Fandrosoana sy fivoarana : manampy betsaka ny vehivavy handraharaha ny fahatokisan-tena

Maro ny vehivavy manana talenta sy afaka manao zavatra eto Madaga­sikara fa betsaka koa ny sakana tsy ahafahany ma­moa­ka izany, raha ny zava-misy. In­drindra ny fidirana eo amin’ny sehatry ny fandraharahana. Mbola matahotra sy tsy sahy miditra amin’ny tontolon’ny fandraharahana ny ankamaroan’ny vehivavy, Malagasy. Olana voalohany indrindra mahatonga izany ny […]

TSELATRA

Voasambotry ny zandary ao amin’ny zana-tobim-paritra Soamanandrariny, ny sabotsy teo ny jiolahy raindahiny amin’ny vaky trano. Teo am-pamakiana tranon’olona izy no nifanehatra tamin’ny zandary. Eny Ankadindra­mamy, Ankandrina, Ambohimahitsy ary Soamanandrariny no tena fanaovany ny asa ratsiny. Indroa nigadra noho ny famakiana trano sy fifohana rongony izy, ny taona 2016 sy […]

Mpanendaka anaty taxi-be : lehilahy iray naiditra am-ponja eny Antanimora

Naiditra vonjimaika eny amin’ny fonjan’Antanimora, omaly, rehefa avy natolotra ny fampanoavana ny jiolahy iray tratra nanendaka tao anaty taxi-be. Ny polisy miasa ao amin’ny kaomisaria CSP1 Analakely no nahasambotra azy teny Ambohijatovo, ny herinandro teo, noho izy voarohirohy ho nanendaka tao anaty taxi-be. Ny 22 mey 2024 maraina, nisy renim-pianakaviana […]

Fidorohana rongony : roa lahy nahatrarana méthamphétamine

Nosamborin’ny zandarimaria ny roa lahy nahatrarana rongony mahery vaika, «méthamphétamine», tao Ambohi­miandrisoa, Antsirabe, ny 25 mey teo. Tsy tapaka mpividy, nanaitra ny manodidina ny fihetsiky ny lehilahy iray. Nampandre ny mpitandro filaminana ny tsara sitrapo fa mivarotra karazan-java-mahadomelina mahery vaika anisan’ny manimba tanora eo amin’ny tanàna ilay tovolahy. Nisava ny […]

Mpiasa voaroaka ny iray: efa-dahy nandroba tranombarotra voasambotra

Jiolahy nisaron-tava nanafika tranombarotra tao amina tokantrano iray tao Ambohidratrimo, ny 19 mey teo. Mpiasa taloha efa voaroaka no tompon’antoka. Nanafin’endrika tamin’ny alalan’ny saron-tava, jiolahy mirahalahy na­nafika tranombarotra iray tao amin’ny fokontany Ambovo, kaominina Ambohidratrimo, ny 19 mey teo. Mivarotra kojakoja madinika ilain’ny mponina andavanandro ireo lasibatra. Niditra an-keriny tao […]