Mois : mai 2024

Aleo hifidy ny vahoaka

  Ny fanaratsiana ny hafa ve no hahatsara ny tena? Na ny faminganana ny mpifaninana amin’ny tena no hahatanterahana ny fihazakazahana… Izany no afitsoky ny kandidà sasany amin’ny fampielezan-kevitra, amin’izao fifidianana depiote izao? Misy aza ny tena ratsy fo, difotry ny fanaratsiana sy ny fanenjehana ny hafa fotsiny. Ahoana no […]

Fampielezan-kevitra – Boriborintany I: fikambanana maro manameloka ny herisetra

Namoaka fanambarana, “manameloka ny herisetra nianjady tamin’ny renim-pianakaviana iray ao amin’ny boriborintany voalohany”, ny fikambanana maro manohana ny fitondrana. Kandidà sy mpiara-dia aminy ao amin’io boriborintany io no voalaza fa tompon’antoka tamin’izany. Nanao fanambarana ireo fikambanana maro miara-dia amin’ny fitondrana manoloana ny herisetra nianjady tamin’ny renim-pianakaviana iray, antsoina hoe Sarah […]

TSELATRA

Naratra mafy ny mpandeha moto iray nifandona tamina fiara kely iray, teny Amoronakona, ny sabotsy teo. Vokatry ny fandehanana mafy teo amin’ilay mpitondra moto no nahatonga ny loza. Nikasa hisongona fiara iray teo alohany izy kanjo nifanehatra tamin’ilay fiara kely avy any By-Pass. Potika tanteraka ilay moto. Nentina hopitaly kosa […]

Maty teo am-panasarahana ady : nosamborina ireo efa-dahy namono ilay raim-pianakaviana

Efa-dahy naiditra vonjimaika any am-ponja taorian’ny famonoana raim-pianakaviana iray teny Lazaina, kaominina Anosy Avaratra, ny zoma 25 mey teo tamin’ny 03 maraina. Nisavorovoro, niafara tamin’ny fifampikasihan-tanana ny disadisa nisy teo amin’ireo tovolahy miisa efatra. Nahita ny zava-nisy, nanasaraka ireo efa-dahy niady ilay raim-pianakaviana. Rain’ny iray tamin’ireo nifampikasin-tanana izy. Voan’ny totohondry […]