Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Tana Hotel Antaninarenina, ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety, nampafahantarana ny « Miss& Mister Malagasy » sy ny manodidina izany. Amin’ity taona ity, Floriana Rasolo sy Andy Stephanie no voafidy ho mpandresin’ny fifaninanana. Izy ireo, araka izany, no misolo tena ny diaspora malagasy amin’ny asa […]
Mois : mai 2024
« Fitiavan’i Neny » : nampitolagaga ny maro ny seho natolotr’i Mathieu
Seho miavaka no nentin’i Njakatiana sy i Lola ary i Mathieu, nanamarihana ny fetin’ny reny, omaly, tao anatin’ny fampisehoana « Fitiavan’i Neny ». Tontosa omaly, teny Antsahamanitra, ny fampisehoana « Fitiavan’i Neny ». Seho nafanain’i Lola sy i Njakatiana ary i Mathieu (La voix d’or). Fampisehoana nentina nanamarihina ny fetin’ny reny, izay nankalazaina […]
Ronaldo Jojoline : « Fitiavana sy fankafizana no anaovana ny fanentanana… »
Tsy zovina amin’ ny mpankafy fanatanjahantena, indrindra ny baolina kitra, raha i Ronaldo. Mpankafy ary anisan’ ny mpanentana mahafatra-po izy rehefa misy lalao iraisam-pirenena tanterahina eto Madagasikara. Didier Eymard no tena anarany fa Ronaldo Jojoline no ahafantaran’ny mpankafy fanatanjahantena, indrindra ny baolina kitra, azy. Raim-pianakaviana 51 taona, manan-janaka efatra i […]
FANTINA sy FINTINA
Nisitraka solosaina ny fitsarana any Ambositra. Natolotra tany an-toerana, ny faran’ny herinandro teo, izany. Voatsiahy fa natao izao ho fanampiana ny fampitaovana ireo mpiasa sy hanatsarana ny kalitaon’ny asa. Eo koa ny fanomezana fahafaham-po ny vahoaka manan-draharaha. Tafiditra amin’ny fanamafisana ny fanjakana tsara tantana izany sy ho fintsinjovana ireo mpiasa. […]
Minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana : nisitraka karatany faobe ny faritra Bongolava
Nitohy tany Bongolava indray ny hetsika fizarana karatany faobe, ny faran’ny herinandro teo, iarahana amin’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany. Nitarika izany tany an-toerana ny minisitra tomponandraikitra, Andriantsitohaina Naina. Notanterahina tao Tsiroanomandidy ny fizarana izany, ka miisa 6 066 ireo karatany nositrahin’ny mponina. Anisan’ny notolorana izany ny avy […]




