Mois : mai 2024

Sombim-baovao

Norombahin’ny Paris Saint Germain (PSG) ny amboaran’i Frantsa, rehefa nandavo ny ekipan’ny Olympique Lyonnais izy ireo, ny sabotsy lasa teo, tany Lille France. Baolina tafiditr’i Ousmane Dembele sy Fabian Ruiz mpilalaon’ny PSG no nitondra ny fandresena ho an-dry zareo. Araka ny loharanom-baovao iray, nilaza ny tsy ho avy any Afrika […]

Semi-marathon Mada 2024: voalohany i Patrick sy i Sendrafefinaina

Voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara eo amin’ny semi-marathon, i Onjani­aina Patrick Ralaiarimanana, atletan’ny Cosfa sy i Marie Sendrafefiniaina, CAMI Itasy. Fifaninanana notanterahina omaly, teto an-drenivohitra. Voalohany eo amin’ny tantarany ny nandrombahin’izy ireo izany. Niady ny hazakazaka teo amin’ny lehilahy. Nitarika teo am-boalohany, i Jean de La Croix Rakotomalala, mpihazakazaky ny Crown […]

Handball « IHF Trophy Zone 7 »: tompondaka teo amin’ny cadet ny Akio de Madagascar

Norombahin’ny Akio de Madagascar, ny amboaran’ny faritra fahafito, « IHF Trophy », eo amin’ny taranja handball, sokajy cadet. Fandresena roa no azon’ny Malagasy tamin’ireo lalao roa natrehiny ka nibatany ny amboara. Nifarana ny sabotsy teo, tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fiadiana ny amboaran’ny faritra fahafito, taranja handball, sokajy cadet sy junior, […]

TARATRY ny KANTO

« Tiako Neny », nandaharana ireo hira ho an’ny reny rehetra. Hafakely iny seho tetsy amin’ny CCEsca Antanimena omaly iny. Rehefa mety ho hira ho an’ny reny, nalahatr’ireo mpanakanto tao avokoa. Maherin’ny 30 izy ireo, izay nifarimbonan-dry Voahira­na, Lilie, Gothlieb, Mahery ary i Farakely sy ireo mpitendry mpanaraka azy ireo. Tsy hiran’ny omaly […]

« Dago Madness Beatz »: tsy namaly ireo heverina ho mpankafy mozika

Somary efa nampoizina ihany… Tsara dia tsara ny to­lotra saingy tsy namaly ny mpankafy mozika. Na tsy tena mpankafy mozika ihany koa aza, satria tsy araka izay nandrasana ireo tonga nanatrika ny hetsika “Festival Dago Madness Beatz”, izay notontosaina tao amin’ny Kianjan’ny Kanto Mahamasina, ny sabotsy sy alahady, faran’ny herinandro, […]