Mois : mai 2024

Tratran’ny kendry tohina : mpangalatra omby maty voatifitry ny zandary

Dahalo raindahiny amin’ny halatra omby, lavon’ny balan’ ny mpitandro filaminana tao Amparihibe, kaominina Maro­tandrano, distrikan’i Mandri­tsara, afakomaly. Nahita omby iray tsy fanta-piaviana hitan’ny fokonolona tao amin’io tanàna io. Nifatotra soa aman-tsara anaty saha anefa io omby io. Nandrasan’ny mpitandro filaminana, araka izany, izay olona haka azy. Tsy nisy nanatona mihitsy […]

Marais Masay : raim-pianakaviana hita faty

Natsingevan’ny farihin’ny Masay ny fatin’ny raim-pianakaviana iray manodidina ny 50 taona, omaly. Olona iray sendra nandalo vao maraina no nahatsikaritra fisian-javatra hafahafa tao anatin’ny rano. Niezaka nitazan-davitra izy kinanjo fatin’olona efa natopatopan’ny rano io hitany io. Nampandre ny mponina manodidina avy hatrany io mpandalo io. Niezaka nisintona io fatin’olona io […]

Roa lahy saika niharan’ny fitsaram-bahoaka : Sembana nampiasaina ho fitadiavam-bola

Soa fa haingana ny fahatongavan’ny polisy fa raha tsy izany saika tratran’ny fitsaram-bahoaka ireo roa lahy nitondra gony nifatotra misy olona mihetsiketsika tao Verrerie Toamasina, omaly. Noheverin’ny olona fa mpangala-jaza hay olona sembana hitadiavam-bola no tao anaty gony… Raikitra indray ny savorovoro teo amin’ny mponina tao amin’ny fokontany Verrerie Toamasina, omaly. […]