FANTINA sy FINTINA

Nilaza hitory ny kandidà Randrianasoloniako Siteny ireo kandidà efatra mpifaninana aminy ao amin’ ny distrikan’i Toliara I. Anton’izany ny tsy fanarahan-dalàna tamin’ny fizarana vary sy vola tamin’ireo fokontany, ny andron’ny 28 mey, izay andro fahanginana mialoha ny fandatsaham-bato, araka ny tatitr’ireo kandidà ireo, ny faran’ny herinandro teo. Voalaza fa misy mpianatra 2 000 avy amin’ny Oniversite Manin­day, Toliara II, no nasaina nifidy tany an-toerana.

Tsy azo antoka ny hiverenan’ny depiote am-perinasa amin’ny famonjena fivoriana ara-potoana voalohany amin’izao, na voafaritra hanomboka anio aza izany, araka ny tapaka talohan’ny fotoan’ny fampielezan-kevitra. Saika mbola any amin’ny distrika nirotsahany hofidina ny ankamaroan’izy ireo. Fampande­ha­nan-draharaha ihany no atao eny amin’ny Antenimi­erampirenana amin’izao.

Nidina teny amin’ny Ceni Alarobia, ny faran’ny herinandro teo, ny solontenan’ny kandidà efatra ao Antananarivo III. Nisy ny fampitahana fitanana an-tsoratra (PV) avy amin’ny delegen’ny kandidà sy nalefa teny amin’ny Ceni noho ny tsy fitovian’ny tarehimarika. Nambaran’ny vadintany fa misy PV telo tsy hita ary tsy tonga teny amin’ny Ceni ny voka-pifidianana eo anivon’ny boriborintany faha III tamin’ireo PV fito nanaovana fampitahana.

Partager sur: