Filatsahan-kofidina: Mbola ambany ny fan­draisa­na anjaran’ny vehivavy

Anisan’ny tolo-kevitry SADC sy ny OIF ary ny UA, nandritra ny tatitra momba ny fizotran’ny fifidianana ny fampirisihana ny fandraisan’ny vehivavy anjara ao anatin’ny fifidianana. Mbola ambany ny tahan’ny vehivavy ao anatin’ny fitantanana sy fandraisana fanapahan-kevitra eo amin’ny raharaham-pirenena, raha ny eto amintsika. Taorian’ny taona 2013, nanaovan’i Mada­gasikara sonia ny fifanarahan’ny SADC mahakasika ny miralenta eo amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana, nisy ny fanentanana sy fampahafantarana nataon’ny fitondram-panjakana tamin’izany andro izany. Nandritra ny fifidianana solombavambahoaka, ny taona 2019, tafakatra 113 amin’ny 810 ny vehivavy nirotsaka hofidina voarakitra, noho izay fampahafantarana ny maha zava-dehibe ny fandraisan’andraikitry ny vehivavy izay. Nidina 80 amin’ny 473 izany tamin’ity fifidianana, taona 2024, ity. Distrika 58 amin’ny 120 no nahitana kandidà vehivavy.

Lin

Partager sur: