Vovonana IRMAR: “Aoka samy ho tony!

Misokatra ho an’ny rehetra, indrindra ireo kandidà, ny fahafahana manamarina sy manao fampitoviana ireo fitanana an-tsoratra eny amin’ny Ceni Alarobia. Anisan’ny nijery ny zotram-pikirakirana ny vokatra teny an-toerana ireo kandidà avy amin’ny vovonana Irmar.

Nanatanteraka fidinana ifotony, teny amin’ny foibe toeran’ny Birao mahaleo tena misahana ny fifidianana (Ceni), teny Alarobia, ny kandidà vitsivitsy avy amin’ ny vovonana Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina (Irmar). Tao anatin’izany no nijerevan’izy ireo ny fomba sy ny zotram-pikirakirana ireo voka-pifidianana manerana ny Nosy. « Aleo anao ny asany ankalalahana ny tomponandraikitra», hoy Andriamana­noro Augustin, anisan’ireo kandidà Irmar nidina ifotony teny amin’ny Ceni.
«Aoka samy ho tony ary aza rangitina sy ampiadiana ny vahoaka”, hoy ireo kandidà avy amin’ny Irmar. Nandritra izany ihany koa no nilazan’ireto kandidà ireto ny fahafaham-pony amin’ny fomba fiasan’ny Ceni.

Fitoniana

Manoloana ny fikorontanana any amin’ny distrika hafa sy ny antso fitarainana ataon’ny vovonana sasany, miantso ny kandidà hafa izy irao samy handinika. Nilaza ireo solontenan’ny kandidà avy amin’ny vovonana Irmar fa samy iharan’ny fikorontanana sy tsy fahalavorariana avokoa ny rehetra. “Samy nanana ny vinany sy fikasana ho lany matoa nirotsaka ho fidina ary izahay aza mba nikendry ny hanao pao-droa saingy io no zava-misy dia aleo samy mba hanaiky an’izay”, hoy ny kandidà Ratsivahiny Andry, nirotsaka ho fidina tao amin’ny distrikan’Atsimondrano.

Lin

Partager sur: