FANTINA sy FINTINA

Mitohy ny adidy, araka ny hafatry ny minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny CGP Rakotoarimanana Herilala, teny Antanimora, afakomaly, ho an’ny polisy. Mandra-pivoahan’ ny voka-pifidianana ofisialy, entaniny ny rehetra hanaraka ny lamina sy ny toromarika isan’ambaratonga amin’ny fitanana hatrany ny filaminana sy ny fandavorariana ny fandriampahalemana. Ao anatin’izany ny fankalazana ny 26 jona.

Nambaran’ireo kandidà depiote tsy miankina 20 mitarika vonjimaika amin’ny fironan’ny voka-pifidianana teny Tsimbazaza, afakomaly, fa tsy ry zareo izay tsy manana olona sy fahefana ary antoko politika hiaro azy no hahavita hosoka sy hala-bato tamin’ny fifidianana depiote teo. Nefa anaovana an­tsojay izy ireo amin’ny voka-pifidianana. Noho izany, angatahin-dry zareo ny fiarovana ny safidim-ba­hoaka.

Nanao fanambarana ny zanaka am-pielezan’ny distrikan’i Faratsiho, manohana ny kandidà laharana faharoa tao amin’ity distrika ity, omaly, manoloana ny resaka voka-pifidianana, indrindra ny tao amin’ny distrikan’izy ireo. Tao anatin’izany no niantson’izy ireo ny HCC mba hijery akaiky ny fitoriana sy fitarainana nataon’izy ireo. Teo ihany koa ny tsy fanekena ny tsy fanarahan-dalàna niseho nandritra ny zotram-pifidianana.

Partager sur: