“Ampahatsiahivina ny rehetra fa 16 andro farafahelany aorian’ny fivoahan’ny vokatra vonjimaika no mamoaka ny vokatra ofisialy ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana”. Io ny filazana ho an’ny kandidà nampitain’ny HCC tamin’ny tranonkalam-pifandraisany, afakomaly. Araka izany, alohan’ny 26 jona no mety hanambarany ny voka-pifidianana ofisialy, raha amin’ny 11 jona ho avy izao no hamoahan’ny Ceni ny vokatra vonjimaika. Nambaran’ ny HCC fa mba ho fanajana ny zon’ny mpirotsa-kofidina ho depiote hitondra ny fehinteny manoloana ny fitoriana misy. Ankoatra ny fandefasana ny dika mitovy amin’ny fitoriana amin’ny alalan’ny Paositra malagasy, ny firaketan-draharaha dia miantso ireo kandidà mahaleo tena na ny solontenany mba hampahafantatra sy haka ny dika mitovy amin’ny fitoriana amin’ny foiben-toerany, Ambohidahy.
Ny fitoriana momba ireo kandidà atolotry ny antoko na vondrona politika dia alefa any amin’ny adiresy misy ny foiben-toeran’izy ireo. Ireo tsy tratra antso dia ampahafantarina amin’ny alalan’ny filazana izay hita ao amin’ny tranonkalam-pifandraisan’ny HCC: www. hcc.gov.mg na pejy facebook Haute cour constitutionnelle Madagascar na petadrindrina eny amin’ny foibe toeran’ny andrimpanjakana. Araka ny And. 50 amin’ny lalàna fehizoro lah. 2018-010 tamin’ny 11 mey 2018 momba ny fifidianana solombavambahoaka eny anivon’ny Antenimierampirenena dia omena 48 ora manomboka ny fotoana nandraisana na nampahafantarana azy ny fitorian’ireo kandidà voakasika mba hanome ny fehinteny fiarovana.
R. Nd.




