Mois : juin 2024

Madagascar J.K.A – Fi. Karate.Ma: nomen-kasina ny Sensei Rakotomalala Armand

Vy nahitana sy angady nananana, nanangana ny Madagascar Shotokan Karate Associaton (M.S.K.A), izay lasa Madagascar Japan Karate Association. Noto­no­nina J.K.A, ho an’i Mada­gasi­kara, tato aoriana. Nanasa ilay « Expert » Sensei Daniel Lautier, nanofana sy nizara traikefa ka nahazoan’ny mpikatroka karate eto an-toerana tombontsoa. An-jatony maro no liana sy nanaraka ny fiofanana. […]

Kitra – “Coca-Cola PFL”: hiady ny amboara ny Elgeco Plus sy ny Disciples FC

Hofantatra rahampitso izay ho tompondakan’i Madagasikara, fifaninanam-pirenena “Coca-Cola Pureplay Foot-ball League”. Hotolorana lelavola izay mivoaka ho mpandresy. Hotanterahina, anio, eny amin’ny Kianja Elgeco Plus by-pass, ny lalao famaranan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, “Coca-Cola Pureplay Foot-ball League (PFL)”, taranja baolina kitra. Hifanandrina amin’izany ny ekipan’ny Elgeco plus Analamanga sy ny […]

Vaovao mitambatra

 Mahatratra 78 066 ireo mpizahatany tonga eto Madagasikara nanomboka ny volana janoary ka hatramin’ny volana mey teo. Niakatra ity antotanisa ity raha oharina tamin’ny vanim-potoan’ny taon-dasa, izay 63 078, ary ambany noho ny tamin’ny taona 2019 izay nahatratra 86 0081.  Mamatsy solika an’i Madagasikara, nanomboka ny volana avrily ka hatramin’ny volana mey […]

Fiantohana: fiaraha-miasan’ny banky SG sy ny Aro

Natao sonia omaly, ny fiaraha-miasan’ny banky Société Générale (SG) sy ny trano fiantohana Aro, antsoina hoe Soavà. Fifanarahana mifantoka amin’ny fiantohana ny mpanjifan’ny banky SG Madagasikara amin’ny lafiny fitsaboana. Afaka misitraka ity tolotra ity avokoa ny tsirairay, ny ankohonany, fa indrindra koa ny mpiasa any amin’ny orinasa. Tafiditra ao anatin’ny […]

BNI Madagascar: manohana ny fandraharahana maitso

Miara-misalahy amin’ny fampiroboroboana ny fandraharahana maitso ny BNI Madagascar, miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka samihafa, toa ny WWF, Pnud sy mpamatsy vola, amin’ny alalan’ny fandaharanasa BNI Lovainjafy. « Tanjona ny hisarihana ny mpandraharaha sa­mihafa hikajy ny lafiny sosialy sy ny tontolo iainana noho ireto farany mbola miantoka tanteraka ny akora ampiasaina eo amin’ny […]