Mois : juin 2024

Rajoelina Mialy: « Mahavita zavatra tsara ny vehivavy »

Nisokatra omaly sy mitohy anio, etsy amin’ny Novotel Ivandry, ny Tsenabe iraisam-pirenena “COMFWB Trade Fair & Conference”. Hetsika hampiroboroboana ny fandraharahan’ny vehivavy malagasy sy afrikanina. Miaraka mikarakara ny tsenam-paritra afrikana Comesa ny Fede­rasiona vehivavy mpandraharaha ao amin’ny Comesa (COMFWB) sy ny Vondrona vehivavy mpandraharaha eto Madagasikara (GFEM). An­diany fahadimy ity […]

Fandaharanasa Jica Chair: hisy velakevitra ho an’ny mpianatry ny Oniversite

Manomana famelabelaran-kevitra ho an’ny mpianatra eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo, ny 12 jolay ho avy izao, ny fandaharanasa “Jica chair” eto Antananarivo. Hiompana amin’ ny lohahevitra roa: ny tontolon’ny fampahalalam-baovao any Japon sy ny vina amin’ny hoavy ny voalohany. 60 taona niarahana niasa tamin’i Afrika i Japon ka hizara ny zava-misy manodidina […]

Fiarovana ny ankizy: nivory ireo komitim-pirenena

Nikaondoha ireo komitim-pirenena ho an’ny fiarovana ny zon’ny ankizy tamin’ity herinandro ity. Nanokatra izany ny mpitahiry ny tombokasem-panjakana, minisitry ny Fitsa­rana sady minisitry ny Mpo­nina sy ny firaisankina mpisolo toerana, Randriamanante­nasoa Landy Mbolatiana. Hiandraikitra manokana ny fanaraha-maso ny fanatanterahana ireo paikady napetraka mahakasika ny fandaharanasa ho fiarovana ny zon’ny ankizy […]

Tarika ‘Zay: hanolotra seho miavaka ho an’ny mpankafy

Tsy maty ny tarika fa mitohy hatrany na eo aza ny fahalasan’i Nary. Izao tokoa mantsy vao hiaka-tsehatra indray izy ireo taorian’ny fahalasanany, ankoatra ilay fampise­hoana nentin’ny mpanakanto rehetra nahatsiaro azy. Hanatanteraka fampi­sehoana eny amin’ny Kianja Barea Mahama­sina, ny tarika ‘Zay, ny takarivan’ny 6 jolay 2024. Fampise­hoana hankalazana ny faha-28 […]