“Ianao ho’aho hafa mihitsy”. Boky amboaran-tononkalo faharoa nosoratan’i Dina Nivetsotiana TDE, taorian’ny “Dinam-peniko” (2023). Boky 50 pejy mahery. Ahitana tara-kevitra maro, toy ny fitiavana an’i Neny, fankaherezana, fivavahana, ary ny fiainana andavanandro amin’ny akapobeny. Tianaharimalala Dina Elinah, izay nohafohezina tamin’ny hoe TDE no tena anarana nomen’ny ray aman-dreniny azy. Amin’ […]
Mois : juin 2024
Fetin’ny mozika: homen-danja ny fahasamihafana sy ny kolontsaina
Ankalazaina ny 21 sy 22 jona izao, eto Antananarivo, ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny mozika. Hiavaka ny fankalazana amin’ity taona ity satria mandritra ny roa andro sy amin’ny toerana roa samy hafa no hanaovana izany. Hotanterahina etsy amin’ ny Alliance francaise d’Antananarivo (AFT) Andavamamba ny andro voalohan’ny hetsika. Hatao eny […]
Hafatry ny eveka : mba ho tombontsoan’ ny rehetra ny serasera
Namoaka hafatra tamin’ny fanamarihana ny Andro maneran-tany faha-58 momba ny fifandraisan’ny mpiara-belona ny eo anivon’ny Fivondronamben’ny eveka (Fem). Namaky ny hafatra tamin’izany ny filohan’ny vaomieran’ny fifandraisana, Mgr Rabemahafaly Fulgence. “Tokony hampiasaina ho amin’ny tombontsoan’ny fianakaviana sy ny rehetra ny fitaovan-tserasera”, hoy izy. Notanterahina tetsy Analakely, teo amin’ny fivarotam-boky Md Paoly, […]
Fanakaikezana vahoaka : nizara bokin-dalàna tany am-piangonana ny fitsarana
Mitohy ny fampahafantarana ny lalàna tanterahin’ny minisiteran’ny Fitsarana. Tafiditra amin’ny fanatsarana ny fomba fiasa eo anivon’ny tontolon’ny fitsarana izany. Notanterahina, ny herinandro teo, tao amin’ny FJKM Ziona Vaovao Mahajanga, ny fanapariahana ny lalàna. Nitarika izany tany an-toerana sady niara-niombom-bavaka tamin’ireo kristianina ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana. “Natao izao […]
Angovo azo havaozina: hamokatra herinaratra ny Marea
Tafiditra ao anatin’ny politikam-panjakana ny fampiroboroboana ny tahan’ny famokarana sy fisitrahana herinaratra eto Madagasikara izay ho tonga hatrany amin’ny 800 MW ka avy amin’ny angovo azo havaozina ny 70% amin’izany. Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy ny alakamisy teo, teny amin’ny «Birdy» Galaxy Andraharo, ireo mpisehatra matihanina sy mpamokatra angovo azo havaozina […]




