Mois : juin 2024

Fampandrosoana : hampidi-bola hatrany amin’ny 40 miliara Ar ny Miami

Hampitombo ny toekaren’ny mponina sy ny tanànan’i Toamasina ary hampiakatra avo ny sehatry ny fizahantany ao an-toerana ny Miray Hina ary Mifankatia (Miami). Hampidi-bola hatrany amin’ny 40 miliara Ar ity fotodrafitrasa nandrasan’ny maro ity. Tanteraka ny fanamby! Notokanana tamin’ny fomba ofisialy ny sabotsy teo ny Miray Hina ary Mifankatia (Miami) […]

INDRAY MIJERY

Nanatanteraka hetsika “tagnamaro, andron’ny olom-pirenena” avokoa ny sekoly teknika ao amin’ny faritra Atsimo Atsinanana sy ny ivontoeram-piofanana CFP Pagnarena, CFP Mahafasa, CFPF Farafangana sy Van­gaindrano, ny Lycée Teknika Farafangana, Vangain­drano, Vondrozo. Fanatsarana ny toeram-piasana no notontosaina nandritra izany. Ny fisian’ny rindrin-drahona ao atsinanan’ny Nosy no mandrafitra ny toetry ny andro anio. […]

Fikambanana Musulman Ahmadiyya : nankalaza ny fetin’ny sorona

Andro lehibe ho an’ny mpino silamo rehetra ny fankalazana ny fetin’ny “Eid ul-Adha” na ny fetin’ny sorona. Tsy diso anjara amin’izany fa nankalaza koa ny fikamba­nana islamo Ahmadiyya eo Andavamamba. Araka ny fa­nazavan’ny misionera anisan’ ireo mpitarika ny Ahmadiyya, Moussah, fa fankalazana ny sorona nataon’i Abraham tamin’i Ismaela zanany ity […]

Andro mangatsiaka : mirongatra ny gripa sy ny aretin-koditra

Tapitra ny fahavaratra sy ny vanim-potoana mafana. Miditra tsikelikely ao anatin’ny vaninandro ririnina ny eto Madagasi­kara ankehitriny. Misy fiantraikany eo amin’ny toe-pahasalaman’ny olona izay fiovana izay ka miteraka aretina. Matetika mahazo ny ankamaroan’ny olona ny aretin’ny taovam-pisefoana. Manomboka eo amin’ny gripa, aretin-tenda, sery, lalan-drivotra, “bronchite”, hatrany amin’ny “alveole”, ny “pneumonie” […]

Mpiadina CEPE : azo alaina eny amin’ny Cisco Antananarivo ny taratasy fiantsoana

Nanamafy ny lehiben’ny Cisco Antananarivo Renivohitra fa tsy tokony hatao sorona ny mpiadina amin’ny fanadinana CEPE. Ilaina ny fifampiresahan’ny ray aman-dreny sy ny sekoly raha misy ny olana momba ny saram-pianarana. Efa voazara avokoa ny taratasy fiantsoana ny mpiadina ho an’ny fanadinam-panjakana CEPE ho­tontosaina manerany ny Nosy, rahampitso tontolo andro. […]