Mois : juin 2024

FANTINA sy FINTINA

Afaka noho ny fisalasalana ireo voarohirohy tamin’ny “Raharaha Faratsiho” momba ny tsy fanarahan-dalàna tamin’ny fifidianana, araka ny didy navoakan’ny fitsarana tany Antsirabe, ny sabotsy teo. Anisan’izany ny lehiben’ny CED sy ny tomponan­draikitry ny informatika eo anivon’ny Ceni ary koa ny komity mpanohana ny kandidà Ramilijaona Nomen­janahary. Notoloran’ny minisitry ny Fitsarana […]

Andrianainarivelo Hajo : “Tsy misy fitoniana rehefa tsy eo ny demokrasia”

Niatrika ny fivoriana iraisam-pirenena eo anivon’ny “International democrate centriste IDC-CDI” tany Frantsa ny filoha nasionalin’ny MMM, Andrianainarivelo Hajo. Nam­barany fa mahaliana hatrany ny mifampizara traikefa amin’ ireo mpikambana amin’izany antoko iraisam-pirenena izany. “Samy resy lahatra fa tsy misy ny fitoniana rehefa tsy mipetraka ny demokrasia. Sarotra ny hipetrahan’ny fampandrosoana maharitra […]

Mahay resy

  Mbola mahabe resaka ny valim-pifidianana depiote. Mampitsanga-mitoetra ny fiandrasana ny ofisialy havoakan’ny HCC… tsy azo ivalozana. Na ahoana na ahoana, misy hatrany ny tsy afapo. Na manohitra… Tsy mahazaka resy? Nefa matoa mirotsa-kofidina na mandrotsa-kofi­dina, mety ho resy na mandresy. Mila mivonona sy mahazaka izany. Tsy misy ilana fifaninanana […]

Fivoizana korontana : mampitandrina ny filoha Rajoelina Andry

Hentitra ny filoha Rajoelina Andry manoloana ireo mitady fanakorontanana. Nohamafisiny tamin’ny lahateny nataony tany Toamasina, afakomaly, koa fa mila hajaina ny safidim-bahoaka. Fotoana hiandrasana ny valim-pifidianana ofisialy, avy amin’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanore­nana (HCC) isika eto Mada­ga­sikara amin’izao. Ao anatin’ izany indrindra no tokony hi­tandroana hatrany ny filami­nana sy […]

TSELATRA

Notanana vonjimaika eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy, ny faran’ny herinandro teo, ilay lehilahy nanolan-jaza teny Iavoambony, kaominina Ambohimanga Rova. Nanamparany ny filan-dratsiny ny zazalahy misedra olana amin’ny fahasalamana, ny alin’ny 11 jona teo. Gisa velona miisa 9 niampy kapa sy kiraro nafatratra tao anaty gony, niampy bisikleta roa, hitan’ny zandary mpanao […]