Mois : juin 2024
« Fête de la Musique» : hiavaka ny amin’ity taona ity
Tanterahina ny 21 sy 22 jona 2024, eny amin’ny Alliance Française d’Antananarivo (AFT) Andavamamba sy eny amin’ny kaominina Ivato Seranana, ny « Fête de la Musique 2024 ». Hetsika lehibe eo amin’ny tontolon’ny mozika izy ity, karakarain’ny avy eo anivon’ny Alliance Française, miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka aminy. Raha ho an’ny isan-taona , mozika maroloko […]
Mpihiran’ny taona 1960 : nodimandry i Françoise Hardy
« Tous les garçons et les filles », hira nanana ny lazany naneran-tany, nanomboka ny taona 1962. Nisongadina ny talentan’i Françoise Hardy, mpihira teratany frantsay… Omaly, fantatra fa nodimandry izy ! Araka ny vaovao nambaran’i Thomas Dutroncs, zanany lahy. Nodimandry ny alin’ny talata 11 jona 2024, teo amin’ny faha-80 taonany, i Françoise Hardy. […]
Orange Madagascar : hampiroborobo ny lafiny sosialy
Vonona hatrany ny Orange Madagascar hampiroborobo ny takalo manaja ny fiarahamonina sy ny tontolo iainana (politique d’achat responsable) sy ny fandraisana andraikitra eo amin’ny lafiny sosialy (RSE) izay hiarahany amin’ireo mpiara-miombon’antoka sy mpandraharaha samihafa. Nanomboka omaly ny hetsika « Supplier Day » andiany voalohany izay natao tetsy amin’ny Orange Digital Center, gara […]
Fanavaozana ny fanabeazana : mifanakalo traikefa ny mpiantsehatra
Miara-mikaondoha mandritra ny roa andro eto Antananarivo ireo mpiantsehatra sy mpikaroka rehetra amin’ny tontolon’ny fampianarana. Tanjona ny hahafahana manatsara ny fanabeazana eto Madagasikara Hifarana anio ny fihaonana amin’ny andro iraisam-pirenena ho an’ny fanavaozana ny fanabeazana eto Madagasikara. Tanterahina etsy amin’ny Panorama Andrainarivo, omaly sy anio izany. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa […]




