Fanavaozana ny fiaraha-miasa. Tsy sambany mantsy no nitondra ny anjara birikiny, ho fitsinjovana ireo reny sy ny zaza mandalo ao amin’ny hopitaly Androva Mahajanga ny Star. Nisy indray ny fanolorana fitaovana ao amin’ity sampandraharaha iray ao amin’ny hopitaly ity, hanatsarana ny fandraisana ireo mpiteraka sy ny zaza. Notoloran’ ny Star […]
Mois : juin 2024
INDRAY MIJERY
Hotanterahina eny amin’ny FTMTK Ambohipo ny 5 ka hatramin’ny 7 jolay izao ny fiofanana ho an’ny mpanabe ho an’ny vovonana diosezy katolikan’ny Ankizy, diosezin’Antananarivo. Tanjona ny hanampiana ny traikefa efa ananana amin’ny fitantanana ireo ankizy beazina. Ilaina ny fiofanana hanarahana ny fivoaran’ny fanabeazana. Nampahafantarina tetsy amin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy […]
Fanadiovana ny kaominina: hisy ny ozinina hanodina ny fako ho lasa zezika sy angovo
Anisan’ny mampitaraina ny kaominina maro ny fitantanana ny fako noho ny antony samihafa. Vahaolana maharitra ho azy ireo ny fisian’ny fanodinana fako maharitra ialana amin’ny vesatra isan-karazany. Notanterahina teny Anosy, omaly, ny sonia fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ireo kaominina manodidina an’Antananarivo sy ny Tany Développement mahakasika ny fanangonana ny fako ho azo […]
Fifidianana depiote: maromaro ireo am-perinasa tsy lany intsony
Maromaro ireo depiote am-perinasa tsy voafidy intsony na mbola niverina nirotsaka hofidina aza, raha miainga amin’ny voka-pifidianana vonjimaika navoakan’ny Ceni. Anisan’izany ireo kandidà natolotry ny vovonana Irmar. Resy tany Antanimora Atsimo ny kestora voalohan’ny Antenimiera, Jean Michel Henri, Rakotondravoavy Andry na Zoky Andry etsy Arivonimamo. Ny any Benenitra amin’ny alalan-dRandrianandraina […]
Mpiasam-panjakana: misy ny atrikasa hatsaraina ireo toeram-panofanana
Tanterahina ao amin’ny Hotel de Thermes Antsirabe, mandritra ny 5 andro, nanomboka ny 10 jona 2024, ny atrikasa fanomanana sy fampivoarana ny fitaovam-piofanana ho an’ny toeram-panofanana ho mpiasam-panjakana eto Madagasikara. Mifampizara traikefa ao anatin’izany ny avy eo aanvon’ny minisiteran’ny Vola sy ny fitantanam-bola, ny minisiteran’ny Asam-panjakana, ny minisiteran’ny Fampianarana ambony […]




