Mois : juin 2024

Baies roses: manomboka ny taom-piotazana

Notanterahina tao amin’ny kaominina Mandiso, distrikan’i Taolagnaro, ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny taom-piotazana sy fivarotana ny vokatra baies roses, ho an’ity taona 2024 ity. Voalo­hany indrindra amin’ireo kaominina manana vokatra tsara sy betsaka ao amin’ny distrikan’i Taolagnaro i Mandiso ary mitana ny laharana faharoa maneran-tany. Ny faritra Anôsy miaraka […]

Tetikasa « e-Jery by Telma » : hampidirana ny ankizy amin’ ny tontolon’ny niomerika

Natolotra tamin’ny fomba ofisialy, afakomaly, tetsy amin’ny Maison du numérique Ambatonankanga ny tetikasa “e-jery by Telma”. Tetikasa iarahan’ny Telma Madagascar sy ny Maison du numérique miasa. Hetsika ahafahana mampianatra ny ankizy sy zaza ma­lagasy ny tontolon’ny sehatry ny haitao ara-kajy mirindra, izay atao etsy amin’ny Maison du numérique ny tetikasa. […]

TARATRY ny KANTO

Hell’s Rush ao amin’ny Kudeta Urban Club. Ao anatin’ny fampahafantarana hatrany ny rakikirany vaovao ny tarika. Misesy ny fiakarana an-tsehatra ka etsy amin’ny kudeta Urban Club Anosy indray ry Chloé sy ny tariny, manomboka amin’ny 4 ora. Ho vahinin’izy ireo mandritra izany, ry Abasse, Dessa ary Mario ao amin’ny tarika […]

“Canal + Asaramanitra” : handeha amin’ny Novegasy ireo sarimihetsika vaovao

Sehatra ho an’ny sarimihetsika malagasy ny Novegasy ao amin’ny Canal +. Hiampy ny tolotra ho an’ny fianakaviana amin’ity volana jona ity. Nokendrena hanana ny anjarany ny tsirairay. Nosafidiana ihany koa ny ora maha ao an-tokantrano ny ankamaroan’ny mpianakavy. Tolotra ho an’ny fianakaviana mantsy ny “Canal + Asaramanitra”. Mitana ny laharana […]

FANTINA sy FINTINA

Mitohy ny adidy, araka ny hafatry ny minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny CGP Rakotoarimanana Herilala, teny Antanimora, afakomaly, ho an’ny polisy. Mandra-pivoahan’ ny voka-pifidianana ofisialy, entaniny ny rehetra hanaraka ny lamina sy ny toromarika isan’ambaratonga amin’ny fitanana hatrany ny filaminana sy ny fandavorariana ny fandriampahalemana. Ao anatin’izany ny fankalazana ny 26 […]