Mois : juin 2024

HCC : alohan’ny 26 jona ny voka-pifidianana ofisialy

“Ampahatsiahivina ny re­hetra fa 16 andro farafahelany aorian’ny fivoahan’ny vokatra vonjimaika no mamoaka ny vokatra ofisialy ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanore­nana”. Io ny filazana ho an’ny kandidà nampitain’ny HCC tamin’ny tranonkalam-pifandraisany, afakomaly. Araka izany, alohan’ny 26 jona no mety hanambarany ny voka-pifidianana ofisialy, raha amin’ny 11 jona ho avy […]

Mila manova lojika !

  Mangingina hafahafa izany ny tanàna. Asa, mbola samy variana amin’ny resa-pifidianana ny vahoaka malagasy. Ny hatsiaka izay tena mamirifiry tokoa efa mampitondra faisana rahateo. Manomboka mahazo vahana ny karazan’aretina mifandraika amin’ny toetr’andro. I Madagasikara rahateo anisan’ny lohalisitra amin’ny firenena mizaka ny vokadra­tsin’ny fahasimban’ny tontolo iainana sy ny fiovaovan’ny toetr’andro. […]

Praiminisitra Ntsay Christian : “Tsy ekena ny fambolena korontana”

Mazava ny fitsipi-dalao! Tsy manaiky ny hisian’ny korontana eto Madagasikara ny Praiministra Ntsay Christian. ”Tsy misy mahazo tombontsoa amin’izany”, hoy izy. Fampahatsiahivana, fanamafisana… “Tsy misy mahazo tombony ao anatin’ny korontana, ary tsy eken’ny fitondram-panjakana sy ny governemanta manokana ny fambolena korontana eto amin’ny tany sy ny fanjakana”, hoy ny Praiminisitra […]

TSELATRA

Zazamenavava narian-dreniny teo amin’ny tetezana Tanamakoa, Toamasina, omaly maraina. Napetraka tao anaty harona plastika mainty io zaza io. Mpandalo no nahatsikaritra ka nijery ny zava-nisy niaraka tamin’ireo tomponandraikitra. Kamiao mpitatitra solika niharan’ny firehetana teny amin’ny lalam-pirenena faha-55, PK 204+ 500, fokontany Tantalavalo, kaominina Ankatsakantsa Atsimo, distrikan’i Morombe, ny alakamisy 6 […]

Fahafatesana mampiahiahy : notorian’ny fianakaviam-badiny ilay vehivavy

Mampiahiahy ny fianakavian’ilay tovolahy hita faty nihantona tao amin’ny trano fonenany tao Amparatanàna, Fenoarivo Atsinanana, ny fihetsiky ny vehivavy vadiny, nanomboka ny alarobia 5 jona teo. Nifatotra tady ny tendan’ilay lehilahy tamin’io fotoana nahitana ny vatana mangatsiakany io. “Tsy namono tena ny havanay fa novonoina. Nosarontsaromana tamin’ny famonoantena izany”, hoy […]