Renim-pianakaviana iray naratra nodarohan’ny adala teny Anosibe Tsena, omaly atoandro. Tsy nanampo na inona na inona ilay niharam-boina tamin’io fotoana io. Avy niantsena izy ka teny an-dalana hody no nifanehatra tamin’ity adala ity. Naratra mafy izy ka voatery nentina namonjy toeram-pitsaboana. Lasa nitsoaka ilay adala. Omby miisa 80 indray lasan’ny […]
Mois : juin 2024
Raharaha nahafaty an’i Fidelis Voriolo : migadra mandra-pahafatiny i Berthino
Nomelohin’ny fitsarana hamita sazy mandra-pahafatiny i Berthino, raha voasazy 10 taona an-tranomaizina kosa ny namany iray antsoina hoe i Lahadraza. Io ny didim-pitsarana navoakan’ny mpitsara nandritra ny fitsarana raharaha ady heloka bevava tao amin’ny Lapan’ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Toamasina, omaly. Samy niakatra fitsarana avokoa ireo roa lahy voampanga tamin’ity […]
Antsirabe : tanan’olona hita notarihin’ny alika
Tanan’olona efa simba, hitan’ny fokonolona notaritarihin’ny alika tao Antsahakely, kaominina Antsirabe I, omaly. Mpandalo no nahatsikaritra io tanan’olona io teny am-bavan’ny alika. Taitra ny manodidina. Nidina nanao ny fisavana ny toerana manodidina ny tomponandraikitry ny filaminana ao an-toerana. Tsy nahitana fatin’olona anefa teo amin’ny fokontany nisy ilay tanan’olona. Tsy nahare […]
Lehilahy migadra eny Tsiafahy: roa lahy maty voatsindron’antsy
Maty noleran’ny namany antsy ny lehilahy roa, avy nandray karama. Nikasa hitsoaka any Ambohimahasoa ilay nahavanon-doza ka voasambotra tanaty taksibrosy. Naiditra am-ponja eny Tsiafahy izy. Niara-maty noleran’ny lehilahy iray mpiara-miasa aminy sady namany antsy ireo roa lahy teny Ambohipiraisana, fokontany Ambohitrombihavana, kaominina Ambohimangakely, distrika Antananarivo Avaradrano, ny 25 mey lasa […]




