Mikarakara hetsika voalohany ny Federasiona malagasin’ny taekwondo. Hotanterahina ny alahady izao izany. Araka ny vaovao nampitain’ny Federasiona malagasin’ny taekwondo (FMTKD), omaly, hisy ny fanadinana hiakarana ambaratonga federaly sy ny kukkiwon, ny alahady ho avy izao, eny amin’ ny CFFAMA Nanisana. Hetsika voalohany karakarain’ny tale teknika nasionaly (DTN) ny Federasiona, Fanomezantsoa […]
Mois : juin 2024
FANTINA sy FINTINA
An-jatony ny fitoriana na fitarainana voarain’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC), Ambohidahy, amin’izao, ny amin’ny fifidianana depiote tamin’ny 29 mey lasa teo, araka ny loharanom-baovao iray. Votoatin’ny fitarainana na fitoriana amin’izay ny momba ny isam-bato misy fiovana, ny amin’ny kara-pifidianana, ny olona tsy tokony hifidy nefa nandatsa-bato… Nambaran’ny mpandrindra […]
Ceni : amin’ny 11 jona ny voka-pifidianana vonjimaika
“Raha 15 andro no omen’ny lalàna ny Ceni ahazoany mikirakira vokatra, tsy tratra aoriana, angamba, raha ny 11 jona no hanatanterahana ny famoahana ny voka-pifidianana vonjimaika”. Io no nambaran’ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, teny Alarobia, omaly, momba ny voka-pifidianana vonjimaika. “Tsy afa-manova voka-pifidianana izahay, fa anjaran’ny HCC ny mandinika ny […]
Laharam-pahamehana!
Mifantoka amin’ny tontolon’ny fifidianana hatrany ny vaovao politika eto amin’ny firenena. Takona tanteraka ny hetsika samihafa izay ataon’ny mpisehatra rehetra. Manomboka hatrany ifotony hatraty amin’ny fitantanan-draharaha an-tampony. Voahodina any avokoa ny sain’ny mpanara-baovao. Hadinodino fa anaty olana sosialy goavana anie Ramalagasy. Tsy tokony hodiana tsy hita ny fahoriana mianjady […]
Manoloana ny voka-pifidianana: nanangana KMSB ny vovonana Firaisankina
Samy manao izay ho afany na ny mpanohitra na ny mpanohana fitondrana iarovana ny vato azo tamin’ny fifidianana. Nametraka ny Komity miaro ny safidim-bahoaka (KMSB) ry zareo ao amin’ny vovonana Firaisankina. Nivory ary nanangana ny Komity miaro ny safidim-bahoaka (KMSB) ireo kandidà depiote natolotry ny vovonana Firaisankina, teny Ambohimanambola, omaly. […]




